Afsarida: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Fianakavia-mpanjaka nanapaka tao Persia
 
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Andalana faha-1:
Ny '''Afsarida''' dia fianakavia-mpanjaka na dinastia izay nanapaka an'i [[Iràna]] tamin'ny taona 1736 hatramin'ny taona 1749. Atao hoe افشاریان / ''Afšâriyân'' izany amin'ny [[teny persana]].
 
Avy any [[Torkestàna]] ny Afsara. Taorian'ny nahazoan'ny [[MôngôlyMôgôly]] io faritra io dia nanorim-ponenana tao amin'ny faritanin'i [[Azerbaijàna]] izy ireo. Taty aoriana dia nanompo ny ''shah'' Ismail Safavi (1487-1524) tao amin'ny tafiky ny Kizilbasy (''Qizilbash'') manampahaizana sasany tao aminy. Rehefa tafapetraka teo amin'ny fitondrana i Ismail dia nafindrany ny fokon'ny Afsara sasany avy any Azerbaijàna nankany Korasàna mba hisakana ny [[Ozbeka]].
 
Vanimpmotoan'ny fikorontanana sy adiady maro ho an'i Iràna ny taonjato faja-18. Niteraka ra mandriaka sy fandringanana ary fandrobana nandritra ny taona maro ny fionganan'ny [[Safavida]] teo anatrehan'ny Afgàna notarihin'i Mir Mahmoud Hotaki (1722). Nandritra izany fotoana izany no niakaran'ny miaramila Nader, avy amin'ny fokon'ny Kirklo (''Qirqlu'') ao amin'ny foko lehiben'ny Afsara, ka nanafaka ny firenena tamin'ny fanjakazakan'ny Afgàna.