Ranavalona I: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Andalana faha-1:
[[Sary:Ranavalona I.jpg|vignette|Ranavalona I]]'''Ranavalona I''' (1788-1861) dia mpanjakavavy malagasy izay nanjaka tao amin'ny [[Fanjakan'i Madagasikara]] nanomboka tamin'ny taona 1828 hatramin'ny taona 1861, izay mpanidrahindra tanindrazana sady nanohitra ny fitsabahan'ny Eoropeana amin'ny raharaham-panjakany no nanandratra avo dia avo ny fanompoan-tsampy sy nanenjika fatratra ny [[Kristianisma ao Madagasikara|fivavahana kristiana]].
 
Tamin'ny taona 1828, tamin' ny nahafatesan-d[[Radama I]] vadiny sady zanak' [[Andrianampoinimerina]], dia izy no niakatra teo amin'ny fitondranana tamin'ny 4 Aogositra 1829 ka niova anarana hoe Ranavalona na Ranavalomanjaka fa tsy natao hoe Ramavo na Mavo na Rabodonandrianampoinimerina intsony. Tsy nana-janaka tamin-dRadama I izy nefa niteraka an-dRakoto (ilay lasa [[Radama II]]) efa ho iray taona mahery taorian'ny nahafatesam-badiny.