Babilôna: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Zithal (dinika | fandraisan'anjara)
Tsipelina
Marika: Hanova araka ny hitan'ny maso Fanovana avy amin'ny finday Fiovana tamin'ny alalan'ny tranonkala finday Modification sur mobile avancée
Zithal (dinika | fandraisan'anjara)
Rohy
Marika: Hanova araka ny hitan'ny maso Fanovana avy amin'ny finday Fiovana tamin'ny alalan'ny tranonkala finday Modification sur mobile avancée
Andalana faha-8:
 
=== Teo ambany fahefan'ny Kasita sy ny Asiriana ===
Tamin'ny taona 1595 tal. J.K. dia nataionnataon'ny [[Hitita]] fahirano i Babilôna ka lasa nofehezin'ny [[Kasita]] ny ampahany be aminy teo anelanelan'ny taona 1590 sy 1155 tal. J.K . Tamin'ny taona 1155 tal. J.K. dia naongan'ny [[Elamita]], izay vahoaka avy any atsinanana, ny fanjakan'ny Kasita. Tamin'izany dia maro ireo fianakavia-panjakampanjaka nifandimby nanapaka an'i Babilôna nefa samy niserana ireo fanjakana ireo.
 
Tamin'ny faramparan'ny taonjato faha-18 tal. J.K. dia notapahin'ny [[Asiriana]] ka lasa faritanin'ny Empira asiriana vaovao i Babilôna. Tamin'ny taona 689 tal. J.K. dia nanao fanafihana nahafaty olona maro i [[Senakeriba]] (na Sankeriba) mpanjakan'ny Asiriana, mba hamaizana ny fikomian'ny Babilôniana, ka tamin'ny fanaovana fahirano sy fakana an'i Babilôna no fara tampon'izany izay nampidiran'io mpanjaka io rano tao amin'ny tanàna hanafotra azy. Nanjaka nandimby an'i Senakeriba rainy i [[Asarhadôna]] tamin'ny taona 681 tal. J.K. hatramin'ny 669 tal. J.K. ka nanarina ny tanànan'i Babilôna indray.
Andalana faha-16:
 
=== Fihen-danjan'i Babilôna ===
Tsy naharitra ela ny Empira babilôniana vaovao. Tamin'ny taona 539 tal. J.K. dia nanafika an'i Babilôna sy nahazo azy ny mpanjaka [[Kirosy Lehibe]] ka nampiditra an'i Babilônia tao amin'ny [[Empira persiana]] vaovao. Nandritra ny fotoana fohy ilay tanàna dia nataon'ny andriana mpandova ho toeram-ponenana, ka tsy nitsahatra izany raha tsy tamin'ny fikomian'ny Babilôniana tamin'ny taona 482 tal. J.K. Ho famaizana izany fikomiana izany dia narodan'i [[Kserksesy I]] ny tempoly rehetra sy ireo tilikambo masina babilôniana ([[zigorata]]) ary nosimbany koa ny sarivongan'i [[Mardoka]] andriamanitr'i Babilôna.
 
Azon'i [[Aleksandra Lehibe]] i Babilôna tamin'ny taona 330 tal. J.K. Nikasa ny hanamboatra indray ny tanàna i Aleksandra mba hataony renivohitry ny fanjakany. Maty anefa i Aleksandra ka tsy nahatanteraka ny fikasany. Taorian'ny taona 312 tal. J.K. dia nataon'ny [[Seleokida]], izay fianakavia-mpanjanka nandimby an'i Aleksandra Lehibe, ho renivohitry ny fanjakany i Babilôna nandritra ny fotoana fohy. Rahefa niorina anefa i [[Seleokia any Tigrisy]] ka natao renivohitra vaovao, dia nafindra tao ny mponin'i Babilôna.
 
== Jereo koa: ==