Faritra Atsimo ao Afrika: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Faritra ao Afrika
(Tsy misy mahasamihafa)

Endrik'io pejy io tamin'ny 9 Janoary 2020 à 10:44

Ny Faritra Atsimo ao Afrika dia ny tapan'i Afrika ao atsimo izay fitambaran'ny firenana sy tany ao atsimon'ny alam-pehibe afrikana. Tanisaina ao amin'io faritra io ireo nosy afrikana ao atsimo-andrefan'ny Ranomasimbe Indiana manodidina an'i Madagasikara (avy ao amin'ny Lakandrano Mozambika ka hatrany ami'ireo nosy Maorisy sy La Réunion) ary ireo nosy afrikana ao atsimo atsinan'ny Ranomasimbe Atlantika.

Sarintany maneho ny Faritra Atsimon'i Afrika

Ireto avy ireo firenena ao amin'ny Faritra Atsimo ao Afrika: i Afrika Atsimo, i Angôla (indraindray tafiditra ao Afrika Afovoany), i Bôtsoana, i Kômôro, i Esoatiny (Soazilandy), i Lezôtô, i Madagasikara, i Malaoy, i Maorisy (firenena), i Mozambika, i Namibia, i Zambia (indraindray tafiditra ao Afrika Afovoany) ary i Zimbaboe