Visigôty (vahoaka): Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Andalana faha-1:
[[Sary:Visigoth migrations.jpg|vignette|422x422px|Fifindra-monian'ny Visigôty]]
Ny '''Visigôty''' dia vahoaka jermanika nipoitra avy amin'ny vahoaka atao hoe [[Gôty]]. Ny Visigôty, toy ny [[Ôstrôgoty]], dia sokajina ao amin'ny sampana ôstikan'ny vahoaka jermanika. Isan'ireo vahoaka [[barbariana]] nanana ny fahamboniany tao Eorôpa ny Visigôty, na noho ny tantara lavany izany sy ny fiaviany mifangaro [[fedrà]], na noho ny sisan-kolontsaina navelany. Gôty nifindra monina avy amin'ny faritry ny [[Ranomasina Mainty]] ka niorim-ponenana tamin'ny taona 270-275 tao amin'ny faritany rômanan'i Dakia ([[Romania]] ankehitriny) izay tsy nisy mponina intsony, tao amin'ny [[Empira rômana]], fa ny Ôstrôgoty kosa nonina tany Sarmatia ([[Okraina]] ankehitriny). Nifindra monina indray mankany andrefana ny Visigoty nanomboka tamin'ny taona 376 sady tao amin'ny Empira rômanan'ny Tany Andrefana tao Hispania sy tao Akoitania. Ny Ôstrôgôty kosa nianandrefana taorian'ny fifindrà-monin'ny Visigôty ka nonina tao Italia. Rehefa nirodana ny Empira rômanan'ny Tany Andrefana tamin'ny taona 476 dia nanohy nitana anjara toerana lehibe tao Eoropa Andrefana ny Visigôty.