Visigôty (vahoaka): Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Vahoaka jermana
 
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Andalana faha-1:
Ny '''Visigôty''' dia vahoaka jermanika nipoitra avy amin'ny vahoaka atao hoe [[Gôty]]. Ny Visigôty, toy ny [[Ôstrôgoty]], dia sokajina ao amin'ny sampana ôstikan'ny vahoaka jermanika. Isan'ireo vahoaka [[barbariana]] nanana ny fahamboniany tao Eorôpa ny Visigôty, na noho ny tantara lavany izany sy ny fiaviany mifangaro [[fedrà]], na noho ny sisan-kolontsaina navelany. Gôty nifindra monina avy amin'ny faritry ny [[Ranomasina Mainty]] ka niorim-ponenana tamin'ny taona 270-275 tao amin'ny faritany rômanan'i Dakia ([[Romania]] ankehitriny) izay tsy nisy mponina intsony, tao amin'ny [[Empira rômana]], fa ny [[Ôstrôgoty]] kosa nonina tany Sarmatia ([[Okraina]] ankehitriny). Nifindra monina indray mankany andrefana ny Visigoty nanomboka tamin'ny taona 376 sady tao amin'ny Empira rômanan'ny Tany Andrefana tao Hispania sy tao Akoitania. Ny Ôstrôgôty kosa nianandrefana taorian'ny fifindrà-monin'ny Visigôty ka nonina tao Italia. Rehefa nirodana ny Empira rômanan'ny Tany Andrefana tamin'ny taona 476 dia nanohy nitana anjara toerana lehibe tao Eoropa Andrefana ny Visigôty.
 
Rehefa nonina tao amin'ilay faritany rômana taloha atao hoe Dakia io ny Visigôty hatramin'ny faran'ny taonjato faha-3 dia ndray tsikelikely ny [[Arianisma (teolojia)|arianisma]] (endriky ny [[kristianisma]] tsy mino ny maha [[Andriamanitra Zanaka|Andriamanitra]] an'i [[Jesoa Kristy]]) nanomboka tamin'ny taona 341. Izany finoana izany dia nifanohitra amin'ny kristianisma maro anisa tao amin'ny Empira rômana tamin'ny nanombohan'ny Visigôty niorim-ponenana tao. Nanaraka ny arianisma (ataon'ny Fiangonana trinitariana hoe "[[finoan-diso]]" na "[[fampianaran-diso]]") ny Visigôty ka tsy nitsahatra izany raha tsy tamin'ny taona 589 tamin'ny niovan'ny mpanjaka Rekardo I (espaniôla: ''Recaredo'') ho amin'ny trinitarisma tao amin'ny fanjakana visigôtin'i Espaina. Na dia izany aza dia nisy ny antoko ariana izay naharitra sy niantraika tamin'ny olona maro, indrindra teo amin'ireo sarangan'ny andriana, ka tsy niofarana izany raha tsy tamin'ny fiandohan'ny taonjato faha-8 nahatapitra ny anbdron'io fanjakana io.