Babilôna: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Nanitatra
Zithal (dinika | fandraisan'anjara)
Rohy sy tsipelina
Marika: Hanova araka ny hitan'ny maso Fanovana avy amin'ny finday Fiovana tamin'ny alalan'ny tranonkala finday Modification sur mobile avancée
Andalana faha-5:
 
== Tantaran'i Babilôna ==
Tamin'ny taona 2200 tal. J.K. any ho any dia nanompo an'i [[Ora (tanana tamin'ny Andro Taloha)|Ora]], izay tanàna-fanjakana mpifanolo-bodirindrina aminy, i Babilôna izay lasa tanàna-fanjakana mahaleo tena taty aoriana rehefa nanorina ny fiandrianany ny [[Amorita|Amôrita]] tamin'ny taona 1894 tal. J.K. Tamin'ny andron'ny mpanjaka [[Hamoraby]] (nanapaka tamin'ny taona 1792-1750 tal. J.K.).
 
=== Teo ambany fahefan'ny Kasita sy ny Asiriana ===
Tamin'ny taona 1595 tal. J.K. dia nataion'ny [[Hitita]] fahirano i Babilôna ka lasa nofehezin'ny [[Kasita]] ny ampahany be aminy teo anelanelan'ny taona 1590 sy 1155 tal. J.K . Tamin'ny taona 1155 tal. J.K. dia naongan'ny [[Elamita]], izay vahoaka avy any atsinanana, ny fanjakan'ny Kasita. Tamin'izany idia Babilônamaro sia nifandimbiasan'nyireo fianakavia-mpanjakapanjaka notapahinanifandimby nanapaka an'i Babilôna nefa samy niserana ireo fanjakana ireo.
 
Tamin'ny faramparan'ny taonjato faha-18 tal. J.K. dia notapahin'ny [[Asiriana]] ka lasa faritanin'ny Empira asiriana vaovao i Babilôna. Tamin'ny taona 689 tal. J.K. dia nanao fanafihana nahafaty olona maro i [[Senakeriba]] (na Sankeriba) mpanjakan'ny Asiriana, mba hamaizana ny fikomian'ny Babilôniana, ka tamin'ny fanaovana fahirano sy fakana an'i Babilôna no fara tampon'izany izay nampidiran'io mpanjaka io rano tao amin'ny tanàna handifotrahanafotra azy. Nanjaka nandimby an'i Senakeriba an-drainyrainy i [[Asarhadôna]] tamin'ny taona 681 tal. J.K. hatramin'ny 669 tal. J.K. ka nanarina ny tanànan'i Babilôna indray.
 
=== Tonga renivohitry ny fanjakana babilôniana vaovao ===
Tamin'ny taona 625 dia ny [[Kaldeana]] tamin'ny andron'i [[Nabôpôlasara]], izay nanorina ny fanjakana nabilônianabilôniana vaovao, no nanapaka ny tanànan'i Babilôna. Ny zanany atao hoe [[Nebokadnetsara II]] (na Nebokadnezara na Nabokôdônôzôra) no nanitatra ny fanjakana hatrany [[Palestina]] sy [[Siria (faritra)|Siria]]. Nanana tempoly sy lapa vaovao i Babilôna, izay nohodidinin'ny manda fiarovana matevina.
 
=== Fihen-danjan'i Babilôna ===
Tsy naharitra ela ny Empira babilôniana vaovao. Tamin'ny taona 539 tal. J.K. dia nanafika an'i Babilôna sy nahazo azy ny mpanjaka [[Kirosy Lehibe]] ka nampiditra an'i Babilônia tao amin'ny [[Empira persiana]] vaovao. Nandritra ny fotoana fohy ilay tanàna dia nataon'ny andriana mpandova ho toeram-ponenana, ka tsy nitsahatra izany raha tsy tamin'ny fikomian'ny Babilôniana tamin'ny taona 482 tal. J.K. Ho famaizana izany fikomiana izany dia narodan'i [[Kserksesy I]] ny tempoly rehetra sy ireo tilikambo masina babilôniana (zigorata) ary nosimbany koa ny sarivongan'i [[Mardoka]] andriamanitr'i Babilôna.
 
Azon'i [[Aleksandra Lehibe]] i Babilôna tamin'ny taona 330 tal. J.K. Nikasa ny hanamboatra indray ny tanàna i Aleksandra mba hataony renivohitry ny fanjakany. Maty anefa i Aleksandra ka tsy nahatanteraka ny fikasany. Taorian'ny taona 312 tal. J.K. dia nataon'ny [[Seleokida]], izay fianakavia-mpanjanka nandimby an'i Aleksandra Lehibe, ho renivohitry ny fanjakany i Babilôna nandritra ny fotoana fohy. Rahefa niorina anefa i [[Seleokia any Tigrisy]] ka natao renivohitra vaovao dia nafindra tao ny mponin'i Babilôna.