Fanjakan' ny Arsakida: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Andalana faha-2:
 
== Ny Arsakida tao Persia ==
Rehefa nihanalemy ny fitondran'i [[Seleokosy II]] tao [[Siria (faritra)|Siria]] dia nanararaotra nanorina ny fahefany i Arsàka, mpanjaka partiana, izay lohan'ny faritra avaratr'i Iràna, atao hoe Parnes, izay isan'ny foko nanjakan'ny [[Seleokida]], Nahazo fahaleovantena ny fokon'i Arsàka teo an-tenantenan'ny taonjato faha-3 tal. J.K. Niverina indray ny fanjakan'ireo Seleokida tamin'i Parnes tamin'ny nandraisan'i [[Antiokosy III]] ny fitondrana, ka tsy azon'ny Arsakida ny fahaleovantenany raha tsy tamin'ny faharesen'ny Siria tamin'ny ady nifanaovany tamin'ny Rômana tao [[Magnesia any Sipilosy|Magnesia]] tamin'ny taona 190 tal. J.K.
 
Tamin'ny fisasahan'ny taonjato faha-2 tal. J.K. dia nanitatra ny fanapahany i Mitridata, izay nanjaka tamin'ny taona 171 hatramin'ny taona 138 tal. J.K., tamin'ny nakany an'i [[Media]] sy i [[Elama]] sy i [[Persida]] ary i [[Babilôna]]. Nisalotra ny anaram-boninahitra hoe "Mpanjakan'ny Mpanjaka" (izany hoe emperora) i Mitridata tamin'ny taona 141 tal..J.K. ka nametra ny fahefan'ny Seleokida tao Siria. Ny empiran'ny Arsakida anefa nanahy noho ny fikorontananan'ny foko mpifindrafindra monina tany atsinanana.