Berenike IV: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Zithal (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Marika: Hanova araka ny hitan'ny maso Fanovana avy amin'ny finday Fiovana tamin'ny alalan'ny tranonkala finday Modification sur mobile avancée
Andalana faha-1:
I '''Berenike IV''' dia mpanjakavavin'i Egipta tao amin'ny [[fianakaviana lagida]] izay nanjaka tamin'ny taona 58 hatramin'ny 55 tal. J.K. Zanak'i [[Ptolemaiosy XII Aoletesy]] izy. Atao hoe ''Βερενίκη'' / ''Berenikê'' i Berenike amin'ny teny grika. Teraka tamin'ny taona 77 tal. J.K. izy ary maty tamin'ny taona 55 tal. J.K. Nanambady an'i Seleokosy VII izy. Maty nisy nampamonoiny i Seleokosy VII tamin'ny taona 56 tal. J.K. Nikomy tamin-drainy ny Aleksandrina noho izy tsy nahatohitra ny Romana. Voaongana i Ptolemaiosy XII ka i Berenike no nandray ny fanapahana. Fotoana kely taty aoroan'ny nahafatesan'i Seleokosy dia nanambady an'i Arkelaosy (grika: Ἀρχέλαος) avy any Komana sady mpisorombe ao amin'ny tempolin'i Belona<ref><small>I Belona (latina: ''Bellona'') dia andriamanibavin'ny ady ara-tafika, araka ny [[fedrà]] romana.</small></ref> (sady nanao ny tenany ho zanak'i Mitridata VI) i Berenike. Nandritra ny telo taona i Ptolemaiosy XII dia niezaka hahazo ny fanohanan'ny Romana mba hiverenany eo amin'ny fitondrana ka tanteraka izany tamin'ny alalan'ny fividiananykolikoly annifanaovany tamin'i Aolo Gabinio (latina: ''Aulus Gabinius'') governeran'i [[Siria (faritra)|Siria]] izay nanafika an'i Egipta miaraka amin'ny tafiny tamin'ny taona 55 tal. J.K. Novonoin'i Ptolemaiosy XII i Berenike IV raha vantany vao tafapetrak'ilay governora romana teo amin'ny fitondrana izy.
 
== Jereo koa ==