Kleôpatra VII: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Zithal (dinika | fandraisan'anjara)
k Rohy
Marika: Hanova araka ny hitan'ny maso Fanovana avy amin'ny finday Fiovana tamin'ny alalan'ny tranonkala finday Modification sur mobile avancée
Andalana faha-13:
'''Kleoptra VII''' na '''Kleopatra VII Filopatora''' na '''Kleopatra VII Tea Neotera Filopatrisy''' dia mpanjakavain'i Egipta avy amin'ny [[dinastia lagida]] nanjaka tamin'ny taona 69 hatramin'ny taona 30 tal. J.K. niaraka tamin'ireo vady sady anadahiny, dia i [[Ptolemaiosy XIII]] sy i [[Ptolemaiosy XIV]], avy eo niaraka tamin'ilay jeneraly romana atao hoe [[Marko Antonio]] (latina: ''Marcus Antonius'').
 
Teraka tamin'ny taona 69 na 68 tal. J.K. izy ary maty tamin'ny taona 30 na 29 tal. J.K. Amin'ny [[Fiteny grika|teny grika]] dia atao hoe ''Κλεοπάτρα Θεὰ Φιλοπάτωρ'' / ''Kleopatra Theà Philopatôr'' (izay midika hoe "Kleopatra Andriamanibavy Tia Ray"); avy eo ''Θεὰ Νεωτέρα Φιλοπάτριϛ'' / ''Theà Neôtera Philopatris'' (izay midika hoe "Andriamanibavy Tia ny Tanindrazany"). I [[Ptolemaiosy XII Aoletesy]] no rainy. Ny vadiny dia i [[Ptolemaiosy XIII Teosy Filopatora]], i [[Ptolemaiosy XIV]], ary i [[Marko Antonio]]. Ny zanany dia i Kaisariona, i Kleopatra Selena II, I Aleksandra Heliosy, ary i Ptolemaiosy Filadelfosy.
 
Nandray anjara tamin'ny ady an-trano nifanandrinan'i [[Marko Antonio]] amin'i Oktavo i Kleopatra ka resy tamin'ny ady tao Aktioma tamin'ny taona 31 tal. J.K. Izany fahareseny izany dia nahafahan'ny Romana nanafika sy naka an'i Egipta, ka tapitra teo ny vanimpotoana helenistika.
 
Malaza noho ny nisakaizany tamin'i [[Jolio Kaisara]] avy eo tamin'i Marko Antonio, izay samy niterahany, i Kleopatra VII.