Fanjakan' ny Arsakida: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
k Rohy
Marika: Hanova araka ny hitan'ny maso Fanovana avy amin'ny finday Fiovana tamin'ny alalan'ny tranonkala finday Modification sur mobile avancée
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Rohy sy tsipelina
Marika: Hanova araka ny hitan'ny maso Fanovana avy amin'ny finday Fiovana tamin'ny alalan'ny tranonkala finday Modification sur mobile avancée
Andalana faha-2:
 
== Ny Arsakida tao Persia ==
Rehefa nihanalemy ny fitondran'i [[Seleokosy II]] tao [[Siria (faritra)|Siria]] dia nanararaotra nanorina ny fahefany i Arsàka, mpanjaka partiana, izay lohan'ny faritra avaratr'i Iràna, atao hoe Parnes, izay isan'ny foko nanjakan'ny [[Seleokida]], Nahazo fahaleovantena ny fokon'i Arsàka teo an-tenantenan'ny taonjato faha-3 tal. J.K. Niverina indray ny fanjakan'ireo Seleokida tamin'i Parnes tamin'ny nandraisan'i [[Antiokosy III]] ny fitondrana, ka tsy azon'ny Arsakida ny fahaleovantenany raha tsy tamin'ny faharesen'ny Siria tamin'ny ady nifanaovany tamin'ny Rômana tao [[Magnesia]] tamin'ny taona 190 tal. J.K.
 
Tamin'ny fisasahan'ny taonjato faha-2 tal. J.K. dia nanitatra ny fanapahany i Mitridata, izay nanjaka tamin'ny taona 171 hatramin'ny taona 138 tal. J.K., tamin'ny nakany an'i [[Media]] sy i [[Elama]] sy i [[Persida]] ary i [[Babilôna]]. Nisalotra ny anaram-boninahitra hoe "Mpanjakan'ny Mpanjaka" (izany hoe emperora) i Mitridata tamin'ny taona 141 tal..J.K. ka nametra ny fahefan'ny Seleokida tao Siria. Ny empiran'ny Arsakida anefa nanahy noho ny fikorontananan'ny foko mpifindrafindra monina tany atsinanana.
 
Nanao izay hampitambatra sy ny hampandroso ny empira arsakida i Mitridata II Lehibe (izay nanjaka tamin'ny taona 123 hatramin'ny taona 88 tal. J.K.) ka nakambany aminy ny ampahan'i Armenia. Nafindran'i Ôrôda II (izay nanjaka tamin'ny taona 57 hatramin'ny 38 tal. J.K.) tany [[Ktesifôna]] ny renivohitry ny empira, sady resiny ilay Rômana atao hoe [[Kraso]] (latina: Crassus) tao Carrhes, dia i Kraso izay avy naka an'i Partia tamin'ny taona 53 tal. J.K. Azon'ny Partiana i Siria izay nofehezin'ny Rômana hatramin'ny taona 64 tal. J.K. sady niditra tao andrefana kokoa (tany [[Antiokia]] sy tany [[Jerosalema (Andro Taloha)|Jerosalema]]) izy.
 
Nisy ny ady antranoan-trano vokatry ny tsy fifanarahana ny amin'ny fifandimbiasana hanjaka, ka npohararaotinnohararaotin'ny emperora rômana [[Traiano|Traiàno]] izany ka nataony ny fampandrian-tany tao Armenia sy MesopotamiaMesôpôtamia ary [[Asiria]] tamin'ny taona 114 hatramin'ny 117 taor. J.K. Nosimban'ny tafika rômana indroa ny tanànan'i Ktesifôna nefa tsy nahita vokatra firy tamin'izany i Rôma. I Ardasera I, izay andriandahy tao amin'ny fianakavia-mpajaka [[sasanida]] persiana no nandresy ny Arsakida tamin'ny namo noanynamonoany ny mpanjaka ardakidaarsakida atao hoe Artabàna IV tamin'ny taona 224.
 
== Ny Arsakida tao Armenia sy tao Jeorjia ==