Sahara: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Zithal (dinika | fandraisan'anjara)
k Tsipelina
Marika: Hanova araka ny hitan'ny maso Fanovana avy amin'ny finday Fiovana tamin'ny alalan'ny tranonkala finday Modification sur mobile avancée
Andalana faha-1:
[[Sary:Sahara satellite hires.jpg|vignette|363x363px|Sarin'i Sahara nalain'ny satelita avy eny ambony ]]
I '''Sahara''' dia tany efitra lehibe ao amin'ny tapany avaratr'i [[Afrika]] izay mivelatra avy any amin'ny [[Ranomasimbe Atlantika]] hatrany amin'ny [[Ranomasina Mena]], izy no tany efitra lehibe indrindra eto ambonin'ny tany izay manana sakanasakany mirefy 1.500 km sy halava mirefy 5.200 km avy any atsinanana miankandrefana ary velerana 9.000.000 km2, ka ny 200.000 km2 dia ahitana tany azo volena tsindraindray. Firenena iraika ambin'ny folo no mitsinjara an'i Sahara, dia i [[Maroka]] sy i [[Aljeria]] sy i [[Tonizia]] sy i [[Libia]] sy i [[Ejipta]] sy i [[Maoritania]] sy i [[Malý]] sy i [[Nijera]] sy i [[Tsady]] sy i [[Sodana|Sodàna]] ary i [[Sahara Andrefana]].
 
I Sahara dia atao hoe الصحراء الكبرى ''al-Ṣaḥrāʾ al-Kubrā'' amin'ny [[fiteny arabo]], fa ''ⵜⵉⵏⵉⵔⵉ / Tiniri'' na ''Tenere'' kosa amin'ny [[fiteny berbera]].
 
Taloha elabe dia faritra mando i Sahara, araka ny sary hosodoko hita tao amin'io faritra io, nefa ankehitriny dia lasa tany efitra mafana indrindra eto amin'izao tontolo izao izy. Natao lalana ho an'ny raharaham-barotra i Sahara taloha ka tandaha-biby mpitatitra no niantoka izany teo anelanelan'i [[Afrika Avaratra]] sy i [[Afrika atsimon'i Sahara]]. Mandray anjara amin'ny fiharian-karena maneran-tany i Sahara noho ny fitrandrahana ny ireo tahirin-karena an-kibon'ny tany toy ny fosfatyfôsfaty sy ny solitany hita ao hatramin'ny taonjato faha-20.
 
== Jereo koa ==