Elama: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Andalana faha-1:
[[Sary:Elam localisation.png|vignette|420x420px|Toerana misy an'i Elama]]
I '''Elama''' dia faritra tamin'ny [[Andro Taloha]] tao amin'ny tapany atsimo andrefan'ny Lembalemba Iraniana, manodidina ny faritanin'i Khouzistan sy ny faritanin'i [[Fars]], izay mifanandrify amin'ny faritr'i [[Sosa]] (na Soza) sy Ansàna (na Anzàna). '''Elamita''' no fiantsoana ny mponina ao. Miresaka momba ny tanin'ny Elamita ireo lahatsoratra tamin'ny faran'ny taonarivo faha-4 hatramin'ny taonarivo voalohany tal. J.K. ka mahafaoka zava-misy ara-jeografia sy ara-politika samihafa nandritra ny tantara lavany. Nisy fianakaviam-panjaka (dinastia) maro nifandimby nitondra tao nefa nisy fotoana nisian'ny fianakaviana niara-nitondra ary nisy koa fotoana nitambaran'ny fianakaviana maro nitondra (toy ny fianakavian'ny Sokalmà, ny an'ny Igehalkida, ny an'ny Sotrokida), indrindra tamn'ny taonarivo faha-2 tal. J.K. Nanomboka tamin'ny taonarivo voalohany tal. J.K. dia nihena ny veleran'i Elama ka tsy nisy tavela afa-tsy ny tapany andrefana manodidina an'i Sosiana, ny ampahany atsinanana dia nalain'ny [[Persiana]], izay nanome anarana azy hoe Persia na Farsa. Ny tanin'ny Elamita dia tsy nanana fizakan-tena politika intsony taorian'ny adiny tamin'i [[Asiria]] sy ny nakan'ny Persiana azy, na dia toa nitambelona izy taonjato maro taty aoriana, amin'ny alalan'ny fanjakan'ny Elimaida. Mbola nisy sisa ny momba ny Elamita tamin'ny fiantombohan'ny taonarivo faha-2 taor. J.K.
 
Ny tantaran'i Elamita dia saro-tsarahina amin'ny an'ny [[Mesopotamia]] mifanakaiky aminy izay nanan-javatra naninteraka tao aminy.