Kasita: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Nanisy sary
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
 
Andalana faha-2:
Ny '''Kasita''' dia vahoaka nonina tao [[Azia Atsimo Andrefana]] tamin'ny [[Andro Taloha]]. Mety any amin'ireo tendrombohitr'i Zagros ny fiaviany. Nanani-bohitra matetika sy naka ny ampahany lehibe any avaratr'i [[Babilôna]] ny Kasita tamin'ny taonjato faha-17 tal. J.K. Tamin'ny taona 1600 na 1595 tal. J.K. any ho any dia nanafika an'i Babilôna ny Kasita ka nahatonga ny tafik'ity tanàna ity halemy. Taorian'izany dia naka an'i Babilôna izy ireo ka namorona fianakavia-mpanjaka (dinastia) vaovao izay nanapaka nandritra ny 450 taona tao amin'ny ilany atsimo sy atsinanan'i [[Mesôpôtamia]]. Nanditra izany fotoana izany dia nandray ny fiteny sy ny fanoratan'ny Babilôniana ny Kasita ka azo lazaina fa nifangaro tanteraka tamin'ny mponina tao. Tamin'ny taona 1225 tal. J.K. dia nanafika ka nahazo an'i Babilôna ny mpanjaka [[asiriana]] Tokolty-Ninorta I ka nahalefy ny hery ara-politikan'ireo mpanjaka kasita izay mbola nitoetra teo amin'ny lapan'i Babilôna ihany hatramin'ny taona 1155 tal. J.K. Nofehezin'ny mpanjaka [[Elama|elamita]] atao hoe Sotroka-Nahonte I ny Kasita, ka ny zanaka lahin'io mpanjaka io no napetrany hanjaka.
[[Sary:Kassite dynasty Babylonia locator map 2.svg|vignette|I Babilôna tamin'ny andron'ny Kasita tamin'ny taonjato faha-13 tal. J.K.]]
Vitsy ny zava-pantatra momba ny Kasita, ankoatry ny anaran'ny mponina, ny anaran-toerana ny anaran'ireo andriamanitra nivavahany. Tsy fantatra marina koa ny toetran'ny fiteniny (ny fiteny kasita), izay mety tsy [[fiteny indoindô-eorôpeana]] sy tsy [[fiteny semitika]].