Akemenida: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Zithal (dinika | fandraisan'anjara)
k Tsipelina
Marika: Hanova araka ny hitan'ny maso Fanovana avy amin'ny finday Fiovana tamin'ny alalan'ny tranonkala finday Modification sur mobile avancée
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Nanitatra
Andalana faha-7:
Ny fianakaviana akemenida dia nanana fandraharaham-panjakana niavaka, izay niorina tamin'ny fitsinjarana ny faritra manontolo anjakany ho faritany roapolo izay samy nofehezin'ny governora avy, sady nofehezina araka ny fehezan-dalàna, nanana vola nampiasaina manerana ny tanin'ny fankana. Nanaraka ny fivavahan'i [[Zaratostra]] ny Akemenida nefa namela ny fivavanana hiaraka hisy amin'ny [[zoroastrisma]]. Nandroso fatratra ny zavakanto sy ny fanaovana mari-trano tamin'ny andron'ny Akemenida araka ny mbola hita amin'ireo sisam-paharavana maro ao amin'ny toerana nisy ny renivohiny tao hoe Persepolisy.
 
Ny fanjakan'ny akemenida dia nifarana tamin'ny nahafatesan'i [[Dariosa III]] tamin'ny taona 330 tal. J.K., izay novonoin'i Besosy governorany sy i Nabarzanesy jeneraliny taorian'ny fahareseny tao Gaogamelesy raha niady tamin'ny tafik'i [[Aleksandra Lehibe]] tamin'ny taona 331 tal. J.K.
 
== Ireo mpanjaka akemenida nifandimby ==
Andalana faha-57:
 
==== Kserksesy I ====
Nanapaka an'i Persia nanomboka tamin'ny taona 486 hatramin'ny 465 tal. J. K. i [[Kserksesy I]]. Teraka tamin'ny taona 519 tal. J.K. ary maty tamin'ny taona 465 (na 475) tal. J.K. Zanak'i Dariosy I Lehibe sy i Atosa i Kserksesy I. Nanamontsana ny fikomiana tany Egipta i Kserksesy I tamin'ny taona 485 sy 464 tal. J.K. ary nampangina ny fikomiana tany [[Babilona|Babilôna]] koa tamin'ny taona 482 tal. J.K. Nandritra izany fotoana izany dia nanomana fanafihana mitohy tany amin'ny Grika i Kserksesy I nandritra ny telo taona. Niampita an'i Helespôntosy i Kserksesy I sy ny tafiny. Nandritra ny lohataon'ny taona 480 tal. J.K. i Kserksesy dia niampita an'i Trakia sy i Tesalia ary i Lokrida. Niaro amin-kerimpo ny taniny ka nampihemotra ny fananiham-bohitry ny tafika persiana ny mpanjaka spartiata Leonidasy I sy ny tafiny. Tamin'ny ady tao Salamina tamin'ny volana Septambra dia resin'ny tafika an-dranomasin'ny Grika ny tafik' i Kserksesy I. Navelan'i Kserksesy teo ambany fibaikoan'i Mardôniosy ny tafika persiana izay resy tao Platea tamin'ny Septambra 479 tal. J.K. Tamin'ny taona 465 tal. J.K. dia maty novonoin'i Artabanosy, lehiben' ny fiambenana ny mpanjaka, i Kserksesy I. Ny zanany Artakserksesy I no nandimby azy teo amin'ny fitondrana ny empira.
Nanapaka an'i Persia nanomboka tamin'ny taona 486 hatramin'ny 465 tal. J. K. i [[Kserksesy I]]. Teraka tamin'ny taona 519 tal. J.K. ary maty tamin'ny taona 465 (na 475) tal. J.K. Zanak'i Dariosy I Lehibe sy i Atosa i Kserksesy I.
 
Nanamontsana ny fikomiana tany Egipta i Kserksesy I tamin'ny taona 485 sy 464 tal. J.K. ary nampangina ny fikomiana tany [[Babilona|Babilôna]] koa tamin'ny taona 482 tal. J.K. Nandritra izany fotoana izany dia nanomana fanafihana mitohy tany amin'ny Grika i Kserksesy I nandritra ny telo taona. Niampita an'i Helespôntosy i Kserksesy I sy ny tafiny. Nandritra ny lohataon'ny taona 480 tal. J.K. i Kserksesy dia niampita an'i Trakia sy i Tesalia ary i Lokrida. Niaro amin-kerimpo ny taniny ka nampihemotra ny fananiham-bohitry ny tafika persiana ny mpanjaka spartiata Leonidasy I sy ny tafiny. Tamin'ny ady tao Salamina tamin'ny volana Septambra dia resin'ny tafika an-dranomasin'ny Grika ny tafik' i Kserksesy I. Navelan'i Kserksesy teo ambany fibaikoan'i Mardôniosy ny tafika persiana izay resy tao Platea tamin'ny Septambra 479 tal. J.K. Tamin'ny taona 465 tal. J.K. dia maty novonoin'i Artabanosy, lehiben' ny fiambenana ny mpanjaka, i Kserksesy I. Ny zanany Artakserksesy I no nandimby azy teo amin'ny fitondrana ny empira.
 
==== Artakserksesy I ====
Mpajaka persiana nanapaka tamin'ny taona 465 hatramin'ny 424 tal. J.K. i [[Artakserksesy I]]. I Kserksesy I no nodimbiasiny ary i Kserksesy II no nandimby azy. Taorian'ny famonoan'i Artabanosy an'i Kserksesy I rainy tamin'ny taona 465 tal. J.K. dia niakatra teo amin'ny fitondrana i i Artakserksesy I. Nampamonoiny avy hatrany ireo rahalahiny sady nofaiziny ireo mpikomy. Taorian'ny fikomiana nokononkononin'i Inarôsy niaraka tamin'ny Ateniana tamin'ny taona 456 - 454 tal. J.K. dia azon'i Artakserksesy I i Egipta. Izany fandresana izany no niteraka ilay atao hoe "fandriampahaleman'i Kaliasy", izay takalon'ny tsy fitsabahan'i Artakserksesy I ao [[Kiprosy]] sy any Egipta, ka nahazon'i Ateniana antoka ny amin'ny filaminany sy ny fiarovana ny andian-tsambony ao amin'ny [[Ranomasina Egea]].
 
==== Kserksesy II ====
Mpanjakan'ny Persiana akemenida nandritra ny 45 andro i [[Kserksesy II]]. Zanak'i Artakserksesy I sy i Damaspia izy. Maty novonoin'i Sôgdianosy havany ihany izy tamin'ny taona 424 tal. J.K. Izy irery no zanak'i Artakserksesy I sy ny vadiny ara-dalàna, dia ny andriambavy Damaspia. Niakatra teo amin'ny fitondrana izy nefa samy niady ny fitondrana koa ny zana-drainy roa lahy tsy iray reny aminy, ka ny voalohany dia i [[Sôgdianosy]]. Namono an'i Kserksesy II i Sôgdianosy.
 
==== Sôgdianosy ====
Mpanjakan'i Persia nandritra ny enim-bolana sy sasany tamin'ny taona 424 tal. J.K. i Sôgdianosy. Zanak'i [[Artakserksesy I]] tamin'ny vehivavy tsy nalainy ho vady atao hoe Alogina izy. Rehefa avy namono ny mpanjaka [[Kserksesy II]], rahalahiny tsy iray reny aminy izy tamin'ny taona 424 tal. J.K. dia niakatra teo amin'ny fitondrana. Tonga koa ny rahalahin'i Sôgdianosy tsy iray reny aminy, izay solontena-mpanjaka (satrapa) tany Hirkania, atao hoe Ôkôsy. Nampamonoina an'i Arbariosy, komandin'ny tafika mpitaingin-tsoavaly, i Sôgdianosy ka maty tamin'ny taona 424 tal. J.K.
 
==== Dariosy II ====
Niakatra teo amin'ny fitondrana i [[Dariosy II]] na Dariosa II, zanak'i [[Artakserksesy I]], rehefa avy namono an'i [[Sôgdianosy]], tamin'ny taona 424 tal. J.K. Tamin'ny taona 423 tal. J.K. izy dia efa governoran'i Hirkania sady efa nankato azy i Media sy i [[Babilona|Babilôna]] ary i Egipta. Tamin'ny taona 412 tal. J.K. dia nanao fifanarahana tamin'i Dariosy II i Sparta fa hamela ny tanànan'i Iônia amin'ny Persiana, ka ho takalon'izany dia nanome volamena hikarakarana ny andian-tsambo mpiady spartiata i Dariosy II. Tamin'ny taona 411 sy 405 tal. J.K. dia nisy fikomian'ny andriandahy tao Tanisy notarihin'i Amirteosy sady notohanan'ireo tanàna grika ka namarana ny fanapahan'ny Persiana an'i Egipta izany fikomiana izany. Maty tany [[Babilona|Babilôna]] i Dariosa II ary nahatonga ny zanany roa lahy (i [[Artakserksesy II]] sy i Kirosy Zandriny) hiady fitondrana ny fahafatesany.
<br />
 
==== Artakserksesy II ====
Najaka tamin'ny taona 404 hatramin'ny taona 358 tal. J.K. i [[Artakserksesy II]]. Teraka tamin'ny taona 436 tal. J.K. ary maty tamin'ny taona 359 tal. J.K. izy. Izy no naharitra indrindra teo amin'ny fitondrana tamin'ireo Akemenida. Lasa mpanjakan'i Egipta izy tamin'ny taona 404 hatramin'ny 402 tal. J.K. talohan'ny fikomian'ny Egiptiana. I [[Dariosy II]] rainy no teo alohany ary i Artakserksesy III no nandimby azy. Raha vao nanomboka nitondra izy dia nanangan-tafika niady aminy ny rahalahiny atao hoe Kirosy Zandriny izay resiny ka novonoiny tamin'ny taona 401 tal. J.K. Niady tamin'ireo tanàna tao Sparta imbetsaka i Artakserksesy II: tao [[Azia Minora]] teo anelanelan'ny taona 400 sy 395 tal. J.K., avy eo tamin'ny taona 395 tal. J.K. hatramin'ny taona 386 tal. J.K.. Nanao izay hakany an'i Egipta i Artakserksesy II nefa tsy nahomby izy tamin'ny taona 385-383 tal. J.K. sy tamin'ny taona 374 tal. J.K. Rehefa mety i Artakserksesy II dia ny zanany Artakserksesy III no nandimby azy teo amin'ny fanapahana ny Empira persiana.
 
==== Artakserksesy III ====
Nanjaka teo anelanelan'ny taona 358 sy 338 tal. <abbr>J.K. I [[Artakserksesy III]]. Z</abbr>anak'i Artakserksesy II izy. Mba hametrahany ny fahefany ao [[Foinikia]] (na Fenisia) dia nodorany ny tanànan'i Sidôna tamin'ny taona 344 tal. J.K. Tafasaraka tamin'ny Empira persiana i Egipta talohan'ny nitondrany, nefa nakambany indray ao amin'io empira io tamin'ny taona 341 tal. J.K. Tamin'ny taona 340 dia namonjy ny tanànan'i Perintosy any amin'ny morontsiraky ny [[Ranomasin'i Marmara]] i Artakserksesy III tamin'ny fanafihana sy ny fakan'ny tafika makedoniana izany tanàna izany. Tamin'ny taona 338 tal. J.K. dia maty nopoizinin'ny lehiben'ny mpiambina azy, atao hoe Bagôasy i Artakserksesy III .
 
==== Arsesy ====
Mpajaka persiana nanapaka tamin'ny taona 338 sy 336 tal<abbr>. J.K. i [[Arsesy]] na Artakserksesy IV. I Artakserksesy III no teo alohany ary i Dariosy III no nandimby azy.</abbr> I Bagoasy, mpiambina an'i Artakserksesy III sy namono azy mbamin'ny ankamaroan'ny havany, no nametraka azy teo amin'ny fitondrana. Nandritra ny fanapahan'i Arsesy dia nanomboka ny adin-tafika tamin'i Makedonia notarihin'i Filiposy II (taona 359 - 336 tal. J.K.) tao amin'ireo sisintany andrefana aloha, avy eo notohizan'i Aleksandra Lehibe (taona 336 - 323 tal. J.K.). Nikasa hamono an'i Bagoasy i Arsesy nefa ny an'i Bagoasy no tonga aloha ka nahafaty ilay emperora tamin'ny fanapoizinana. Nametraka an'i Dariosy III teo amin'ny fitondrana amin'izay i Bagoasy nefa namono azy ity emperora vaovao ity rfehefa avy eo.
 
==== Dariosy III ====