Artakserksesy I: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Nanisy sary
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Nanitatra
Andalana faha-1:
[[Sary:Artaxerxes I at Naqsh-e Rostam.jpg|vignette|Sary sokitra maneho an'i Artakserksesy I ao amin'ny fasany any Naqsh-e Rostam, any Iràna.]]
I '''Artakserksesy I''' dia mpajaka lehibe persiana tao amin'ny fianakavia-mpajaka [[akemenida]], izay nanjaka tamin'ny taona 465 hatramin'ny 424 tal; J.K. I Manetona dia mihevitra fa nanjaka 41 taona izy. I [[Kserksesy I]] no nodimbiasiny ary i [[Kserksesy II]] no nandimby azy. Atao hoe Ἀρταξέρξης, / ''Artaksérksês'' io anarana io amin'ny [[teny grika]], izay avy amin'ny anarana amin'ny [[Fiteny persana taloha|teny persiana]] tranainy hoe ''Artaxšacā.'' (amin'ny teny persana: اردشیر یکم / ''Ardeshir'').
 
Taorian'ny famonoana an'i Kserksesy I rainy tamin'ny taona 465 tal. J.K. dia niakatra teo amin'ny fitondrana i Artakserksesy I. Nampamonoiny avy hatrany ireo rahalahiny sady nofaiziny ireo mpikomy. Noraisiny tao an-dapany i Temistoka avy any Atenay, izay noroahina hiala an'i Persia tamin'ny taona 471 tal. J.K. ka nampiandraiketiny tanàna maro any Azia Minora.
 
Taorian'ny fikomiana nokononkononin'i Inarôsy niaraka tamin'ny Ateniana tamin'ny taona 456 - 454 tal. J.K. dia azon'i Artakserksesy I i Egipta. Izany fandresana izany no niteraka ny fandrimpahaleman'i Kaliasy, izay takalon'ny tsy fitsabahany ao Kiprosy sy any Egipta, ka nahazo antoka ny amin'ny filaminany sy ny fiarovana ny andian-tsambony ao amin'ny Ranomasina Egea i Atenay.
 
Rehefa maty i Artakserksesy I dia maro amin'ireo zanany no niady hiakatra eo amin'ny fitondrana handimny azy, nefa i Dariosy II, izay zasary, no nahazo izany tamin'ny taona 423 tal. J.K.
 
== Artakserksesy ao amin'ny Baiboly ==