Akemenida: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Nanitatra
Andalana faha-11:
== Ireo mpanjaka akemenida nifandimby ==
 
*=== Ny tsy tena azo antoka fa mety noforonin'i Dariosy I: ===
Ireto mpanjaka resahina manaraka ireto dia tsy azo antoka ny tena nisiany.
 
[[Akemenesy]] (688-675 tal. J.K.) - [[Teispesy]] ( 675-640 tal. J.K.) - [[Kirosy I]] (640-600 tal. J.K.) - [[Ariaramnesy]] (6??-6?? tal. J.K.) - [[Kambisesy I]] (600-559 tal. J.K.) - [[Arsamesy]] (6??-5?? tal. J.K.)
 
==== Akemenesy ====
* Ny azo antoka:
I Akemenesy no nanorina ny fianakavia-mpanjaka akemenida. Lazain'i Dariosy fa razamben'ny mpanjakan'i Asàna (''Heshan'' na ''Ashan'') rehetra sy an'ny mpanjakan'i Persia rehetra izy. I Teispesy (grika: Τεΐσπης / ''Teispês'') no zanany izay mpanjaka voalohan'i Asàna.
 
==== Teispesy ====
Mpanjakan'i Persia nanomboka tamin'ny taona 675 tal. J.K. hatramin'ny taona 640 tal. J.K. i Teispesy, izay nandimby an'i Akemenesy rainy. Rehefa maty i Teispesy dia nizara roa tamin'ireo zanany roa ny fanjakana persiana, ka i [[Kirosy I]] lasa mpanjakan'i Parsomà sy i Ansàna, fa i [[Ariaramnesy]] kosa lasa mpanjakan'i [[Parsa]].
 
==== Kirosy I ====
Mpankan'i Ansàna tany Persia hatramin'ny taona 600 tal. J.K. ka hatramlin'ny 580 tal. J.K. I Kirosy I, izay niaina tamin'ny taona 610 hatramin'ny taona 580 tal. J.K. (na 652 - 600 tal. J.K. koa hoy ny olona sasany). Tsy hita ao amin'ny sora-tsokitr'i Behistona, izay nampanaovin'i [[Dariosy I]], anefa ny momba azy.
 
==== Ariaramnesy ====
Mpanjaka iraniana, izay rahalahin'i Kirosy I sy zanak'i Teispesy i Ariaramnesy. Razamben'i [[Dariosy I]] izy araka ny sora-tsokitr'i Behistona sady nanapaka tamin'ny tanin'i Parsomasa nandritra ny fanapahan'ny rahalahiny Kirosy I tao Ansàna.
 
==== Kambisesy I ====
Mpanjakan'i Ansàna i Kambisesy I. Izy no rain'i [[Kirosy II]]. Teraka tamin'ny taona 600 tal. J.K. izy ary maty tamin'ny taona 559 tal. J.K. Na dia tsy izy no nanorina ny empira akemenida dia nalaza tamin'ny fanomanana izany izy. Mpanjaka natanjaka izy, indrindra tamin'ny nakany an'i [[Farsa]].
 
==== Arsamesy ====
Mpanjakan'i Persia tamin'ny taona 520 tal. J.K. i Arsamesy, zanak'i [[Ariaramnesy]], nandao ny maha mpanjaka azy izy mba hampisy fitokisana eo aminy sy i [[Kirosy Lehibe]]. Niala tamin'ny raharaham-pitondrana izy ka nonina tao [[Farsa]] nandritra ny taona maro dia maro.
 
*=== Ny azo antoka: ===
 
*Ireto mpanjaka resahina manaraka ireto dia azo antoka ny nisiany satria resahina ao amin'ny loharano maro.
 
[[Kirosy II Lehibe]] (550-530 tal. J.K.) - [[Kambisesy II]] (529-522 tal. J.K.) - [[Bardià]] (522-522 tal. J.K.) - [[Dariosy I]] (522-486 tal. J.K.) - [[Kserksesy I]] (486-465 tal. J.K.) - [[Artakserksesy I]] (465-424 tal. J.K.) - [[Kserksesy II]] (424-424 tal. J.K.) - [[Sôgdianosy]] (424-423 tal. J.K.) - [[Dariosy II]] (423-404 tal. J.K.) - [[Artakserksesy II]] (404-359 tal. J.K.) - [[Artakserksesy III]] (359-338 tal. J.K.) - [[Arsesy]] (338-336 tal. J.K.) - [[Dariosy III]] (336-330 tal. J.K.).
 
==== Kirosy II Lehibe ====
I Kirosy Lehibe, izay atao hoe Kirosy II, dia mpanjakan'i Persia tamin'ny taona 559 hatramin'ny taona 530 tal. J.K., teraka tamin'ny taona 590 tal. J.K. ary maty ny taona 529 tal. J.K. I Kambisesy I no rainy. Izy no rain'i [[Bardià]] sy i [[Kambisesy II]]. Izy no nanorina ny Empira persiana (na persa) izay nandimby ny [[Mediana|Fanjakana medianita]] (na meda).
 
Fanafihana sy famaboan-tany etsy sy eroa tsy nisy toa azy no nanamarika ny fotoana nanjakany: rehefa avy nampanaiky ny fanapahany ny Mediana (na Meda) izy dia nanjaka koa tamin'ny Fanjakan'ny Lidia sy ny tanàn-dehibe grika tao Iônia, avy eo tamin'ny Empira babilôniana vaovao (isan'izany i [[Mesopotamia]], i [[Siria (faritra)|Siria]], ireo tanan-dehibe foinikiana ary i [[Jodea]]). Maty nandritra ny ady nifanaovany tamin'ireo Masageta i Kirosy Lehibe.
 
==== Kambisesy II ====
Mpanjaka lehibe tao amin'ny [[Empira persiana]] hatramin'ny taona 529 tal. J.K. hatramin'ny taona 522 tal. J.K. i Kambisesy II, izay fantatra indrindra tamin'ny nanafihany sy nahazoany an'i Egipta ka nahatonga azy ho lasa [[faraôna]] (na [[farao]]) tao. Namarana ny fakana ny tany any ambadik'i [[Eofrata]] izy tamin'ny nahazoany an'i [[Foinikia]] (na Fenisia) sy an'i [[Kirprosy]]. Nanana andian-tsambo mpiady matanjaka dia matanjaka ny Persiana tamin'ny andron'i Kambisesy II.
 
==== Bardià ====
Mpanjaka lehiben'i [[Persia]] nandritra ny volana vitsy tamin'ny taona 522 tal. J.K. i Bardià, raha tsy hoe efa nisy namono talohan'izany sy efa nisy ny mpisandoka (i Gaomata) naka ny toerany ka nitondra ny empira. Zanak'i [[Kirosy Lehibe]] izy ary zandry kelin'i [[Kambisesy II]].
 
==== Dariosy I ====
I Dariosa I na Dariosy I dia nanapaka teo anelanelan'ny taona 521 sy 486 tal. J.K. Tamin'ny taona 558 na 550 izy no teraka ary maty tamin'ny taona 486 tal. J.K. Nananao izay hampitsahatra ny fikomiana maro i Dariosa I tamin'ny roa taona voalohany nitondrany. Ny lehibe indrindra tamin'izany fikomiana izany dia ny tao [[Babilona]]. Tsy nenjehiny ny fivavahana maro hafa ka izany no nahatonga ny [[Jiosy]] hanaja azy, dia ny Jiosy izay navelany hanamboatra ny [[Tempoly Faharoa|Tempolin'i Jerosalema]] tamin'ny taona 516 tal J.K.
 
Nampitsahatra ny fikomian'ny Grika tamin'ny taona 493 tal. J.K. i Dariosy I koa dia tapa-kevitra haka an'i Grisia (na Gresy), dia nandefa tafika hanafay ny tananan'i Atena izay nanohana ny mpikomy. Nanomboka ny ady teo amin'ny Persiana sy ny Grika. Tamin'ny taona 490 tal. J.K. dia nandefa tafika matanjaka nobaikoin'i Artafernesy sy ilay Mediana atao hoe Datisy ny Persiana ka niditra tao Grisia avy ao avaratra, nefa resy tamin'ny ady tao Maratôna. Matin'aretina tamin'ny taona 486 tal. J.K. i Dariosa I, raha niomana hitarika tafika fanintelony hiady amin'ny Ateniana.
 
==== Kserksesy I ====
Nanapaka an'i Persia nanomboka tamin'ny taona 486 hatramin'ny 465 tal. J. K. i Kserksesy I. Teraka tamin'ny taona 519 tal. J.K. sy maty tamin'ny taona 465 (na 475) tal. J.K. Zanak'i Dariosy I Lehibe sy i Atosa i Kerksesy.
 
Nanamontsana ny fikomiana tany Egipta i Kserksesy I tamin'ny taona 485 sy 464 tal. J.K. ary nampangina ny fikomiana tany [[Babilona|Babilôna]] koa tamin'ny taona 482 tal. J.K. Nandritra izany fotoana izany dia nanomana fanafihana mitohy tany amin'ny Grika i Kserksesy I nandritra ny telo taona. Niampita an'i Helespôntosy i Kerksesy I sy ny tafiny. Nandritra ny lohataon'ny taona 480 tal. J.K. i Kserksesy dia niampita an'i Trakia sy i Tesalia ary i Lokrida. Niaro amin-kerimpo ny taniny ka nihemotra ny fananiham-bohitry ny tafika persiana ny mpanjaka spartiata Leonidasy I sy ny tafiny. Tamin'ny ady tao Salamina tamin'ny volana Septambra dia resin'ny tafika an-dranomasin'ny Grika ny tafik' i Kserksesy I. Navelan'i Kserksesy teo ambany fibaikoan'i Mardôniosy ny tafika persiana izay resy tao Platea tamin'ny Septambra 479 tal. J.K. Tamin'ny taona 465 tal. J.K. dia maty novonoin'i Artabanosy, mpitarika ny fiambenana ny mpanjaka, i Kserksesy I. Ny zanany Artakserksesy I no nandimby azy teo amin'ny fitondrana ny empira.
 
==== Artakserksesy I ====
 
==== Kserksesy II ====
 
==== Sôgdianosy ====
 
==== Dariosy II ====
<br />
 
==== Artakserksesy II ====
 
==== Artakserksesy III ====
 
==== Arsesy ====
 
==== Dariosy III ====
Mpanjakan'i Persia tamin'ny taona 336 hatramin'ny taona 330 tal. J.K. i Dariosy III na Dariosa III. Teraka tamin'ny taona 380 tal. J.K. izy ary maty tamin'ny taona 330 tal. J.K. Ny [[eonoka]] atao hoe Bagoasy no nampiakatra azy teo amin'ny seza fiandrianana. Rehefa tonga teo amin'ny fitondrana i Dariosy III dia nampamono an'i Bagoasy.Nitarika ny tafika persiana hiatrika ny tafik'i [[Aleksandra Lehibe]], mpankan'i Makedonia, i Dariosy III. Resin'ny Makedoniana ny tafika persiana tamin'ny ady tao Granikosy tamin'ny taona 334 tal. J.K. sy tao Isôsy tamin'ny taona 333 tal. J.K. ary tao Gaogamelesy tamin'ny taona 331 tal. J.K. Nandositra an'i Aleksandra Lehibe i Dariosy III rehefa resy tanteraka. Novonoin'i Besosy, izay solontenam-panjakana (satrapa) tany Baktriana, i Dariosy III tamin'io taona 330 tal. J.K. io ihany. I Darikosy III no mpankana akemenida farany.
 
== Jereo koa ==