Kambisesy I: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Mpanjaka akemenida
 
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Andalana faha-1:
[[Sary:Cambyses I - April 2013 - 2.jpg|vignette|Fasan'i Kambisesy]]
I '''Kambisesy I''' dia mpanjakan'i Ansàna, isan'ireo [[Akemenida]], rain'i [[Kirosy II]]. Teraka tamin'ny taona 600 tal. J.K. izy ary maty tamin'ny taona 559 tal. J.K. Atao hoe Καμβύσης / Kambusês izy amin'ny [[teny grika]], fa ''Kabūǰiya'' kosa amin'ny [[teny persiana taloha]]. Izy no rain'i Kirosy
 
Araka an'i Herôdôtosy dia mpanjaka nanompo ny mpanjakan'i [[Mediana]] atao hoe Astiagesy (grika: Ἀστυάγης / ''Astyagês'') i Kambisesy I, novadiny ny zanak'i Astiagesy atao hoe Mandana. Afaka nihambo no taranaky ny saranga ambony toa an-drafozany izy, satria taranak'i Akemenesy. Nitondra ny anaran'i Akemenesy amim-pireharehana izy sy ny mpandimby azy. Ao amin'ny taranaka fahatelo no misy azy, aorian'i Teispesy dadabeny (678-640 tal. J.K.), ny dadatoany Ariaramnesy (640-590 tal. J.K.), ny rahalahiny Arsamesy mpanjkan'i Persoa, ary amin'ny taranaka faharoa, aorian'i Kirosy I rainy (640-600 tal. J.K.) sady mpanjakan'i Parsoma sy ny tanànan'i Ansàna.
 
Ny Persiana vahoakany dia mpihavana akaiky amin'ny vahoaka izay nihavana taminy, ary ireo vahoaka roa tonta ireo dia tonga tamin'ny fotoana mitovitovy teo amin'ny Lembalemba Iraniana. Na dia tsy izy no nanorina ny empira akemenida dia nalaza tamin'ny fanomanana izany izy. Mpanjaka natanjaka izy, indrindra tamin'ny nakany an'i [[Farsa]].