Artakserksesy II: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Nanisy sary
Andalana faha-1:
[[Sary:Artaxerxes II relief detail.jpg|vignette|Sary sokitra maneho an'i Artakserksesy II ao amin'ny fasany ao Persepolisy.]]
I '''Artakserksesy II''' dia mpajaka persiana tao amin'ny fianakavia-mpajaka [[akemenida]], izay najaka tamin'ny taona 404 hatramin'ny taona 358 tal. J.K. Izy no nanjaka maharitra indrindra tamin'ireo Akemenida. Lasa mpanjakan'i Egipta izy tamin'ny taona 404 hatramin'ny 402 tal. J.K. talohan'ny fikomian'ny Egiptiana. I [[Dariosy II]] no teo alohany ary i [[Artakserksesy III]] no nandimby azy.
 
Atao hoe Ἀρταξέρξης, / ''Artaksérksês'' io anarana io amin'ny [[teny grika]], izay avy amin'ny anarana amin'ny [[Fiteny persana taloha|teny persiana]] tranainy hoe ''Artaxšacā.'' (amin'ny teny persana: اردشیر یکم / ''Ardeshir'').
 
== Artakserksesy ao amin'ny Baiboly ==
Ny [[Bokin'i Ezra]] (na Bokin'i Esdrasa) sy ny [[Bokin'i Nehemia]] ao amin'ny [[Baiboly]] dia miresaka ny amin'ny olona atao hoe "Artakserksesy, mpanjakan'i Persia" nefa tsy fantatra marina hoe iza amin'ireo Artakserksesy ireo io lazaina io. Ny mpahay tantara sasany dia milaza fa i [[Artakserksesy I]] izany, nefa ny hafa koa dia milaza fa i Artakserksesy II no izy.
 
Ao amin'ny Bokin'i Ezra dia nanome alalana an'i [[Ezra]] hody any Jerosalema avy any [[Fahababoana tany Babilona|Babilona nahababoana]] i Artakserksesy ka naniraka azy ho governora hisahana ny raharaha ara-piarahamonina sy ara-pivavahana ao amin'ny [[Jiosy|vahoaka jiosy]]. Nandao an'i [[Babilona]] i Ezra tamin'ny fahafito taonan'ny nanjakan'i Artakserksesy sady nitarika Jiosy nahitana [[Mpisorona jiosy|mpisorona]] sy [[Levita]] nankany Jerosalema. Araka ny Bokin'i Nehemia dia nahazo alalana tamin'ny mpanjaka Artakserksesy koa i [[Nehemia]] hody any Jerosalema.
 
== Jereo koa ==