Artakserksesy I: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Nanisy sary
Andalana faha-1:
[[Sary:Artaxerxes I at Naqsh-e Rostam.jpg|vignette|Sary sokitra maneho an'i Artakserksesy I ao amin'ny fasany any Naqsh-e Rostam, any Iràna.]]
I '''Artakserksesy I''' dia mpajaka lehibe persiana tao amin'ny fianakavia-mpajaka [[akemenida]], izay nanjaka tamin'ny taona 465 hatramin'ny 424 tal; J.K. I Manetona dia mihevitra fa nanjaka 41 taona izy. I [[Kserksesy I]] no nodimbiasiny ary i [[Kserksesy II]] no nandimby azy. Atao hoe Ἀρταξέρξης, / ''Artaksérksês'' io anarana io amin'ny [[teny grika]], izay avy amin'ny anarana amin'ny [[Fiteny persana taloha|teny persiana]] tranainy hoe ''Artaxšacā.'' (amin'ny teny persana: اردشیر یکم / ''Ardeshir'').
 
== Artakserksesy ao amin'ny Baiboly ==
Ny [[Bokin'i Ezra]] (na Bokin'i Esdrasa) sy ny [[Bokin'i Nehemia]] ao amin'ny [[Baiboly]] dia miresaka ny amin'ny olona atao hoe "Artakserksesy, mpanjakan'i Persia" nefa tsy fantatra marina hoe iza amin'ireo Artakserksesy ireo io lazaina io. Ny mpahay tantara sasany dia milaza fa i Artakserksesy I izany, nefa ny hafa koa dia milaza fa i [[Artakserksesy II]] no izy.
 
Ao amin'ny Bokin'i Ezra dia nanome alalana an'i [[Ezra]] hody any Jerosalema avy any [[Fahababoana tany Babilona|Babilona nahababoana]] i Artakserksesy ka naniraka azy ho governora hisahana ny raharaha ara-piarahamonina sy ara-pivavahana ao amin'ny [[Jiosy|vahoaka jiosy]]. Nandao an'i [[Babilona]] i Ezra tamin'ny fahafito taonan'ny nanjakan'i Artakserksesy sady nitarika Jiosy nahitana [[Mpisorona jiosy|mpisorona]] sy [[Levita]] nankany Jerosalema. Araka ny Bokin'i Nehemia dia nahazo alalana tamin'ny mpanjaka Artakserksesy koa i [[Nehemia]] hody any Jerosalema.
 
== Jereo koa ==