Fiendrika sy fitodika: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Tsipelina
Marika: Hanova araka ny hitan'ny maso Fanovana avy amin'ny finday Fiovana tamin'ny alalan'ny tranonkala finday Modification sur mobile avancée
Zithal (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Marika: Hanova araka ny hitan'ny maso Fanovana avy amin'ny finday Fiovana tamin'ny alalan'ny tranonkala finday Modification sur mobile avancée
Andalana faha-1:
Ny [[fiendrika|'''fiendrika''']] na [[Fiendrika|'''fitodika''']] dia toetra ara-pitsipiteny ananan'ny teny amin'ny [[sokajin-teny]] sasany, indrindra ny [[matoanteny]] (atao [[entimilaza]]), izay hita taratra amin'ny fiovan'endrik'ilay teny sy ny heviny ka mampitodika io teny io amin'ny [[Lazaina (fitsipiteny)|lazaina]]. Ny fiendrika na fitodika fantatra indrindra ao amin'ny [[fiteny]] maro dia ny [[fitodika mpanao]] na [[fiendrika mañano]] sy ny [[fitodika iharana]] na [[fiendrika anoina]]. Ao amin'ny fiteny malagasy dia mbola ahitana ny [[Fitodika mpamari-toe-javatra|fitodika toe-javatra]] na [[fiendrika añanovana]]. Arakaraka ny [[mpahay teny]] no anavahana na tsia ny atao hoe ''fitodika'' sy ny hoe ''fiendrika''.
 
Ampiasaina ny hoe "fiendrika" raha toa ka tena manova endrika ny teny (matoanteny, ohatra) ny fampiharana fiofohana amin'ny fehezanteny, fa ny hoe "fitodika" raha tsy misy manamaro ny karazan'endriky ny teny (matoanteny, ohatra) ny fampiharana fiofohana amin'ny fehezanteny. Raha izany, ohatra, dia tsy misy afa-tsy fiendrika roa ao amin'ny [[fiteny frantsay]], dia ny fiendrika mañano (fratsay: ''voix active'') sy ny fiendrika anoina (fratsay: ''voix passive''), nefa ireo fiendrika roa ireo dia mety hanambara fitodika maro izay ataon'ny fitsipiteny mahazatra hoe "fiendrika" (frantsay: ''voix'') ihany raha tokony ny teny hoe "fitodika" (frantsay: ''diathèse'') no hampiasaina.