Empira Partiana: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Pejy voaforona amin'ny « Ny '''Empira partiana''', na '''Empmira parta''', izay atao hoe '''Empira arsakida''', dia fanjakana iraniana natanjaka ara-politika sy ara-kolontsaina tao Persia… »
 
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Andalana faha-1:
[[Sary:Map Parthian Empire-fr.png|vignette|437x437px|Ny Empira partiana tamin'ny taona 60 tal. J.K.]]
Ny '''Empira partiana''', na '''EmpmiraEmpira parta''', izay atao hoe '''Empira arsakida''', dia fanjakana iraniana natanjaka ara-politika sy ara-kolontsaina tao [[Persia]] tamin'ny [[Andro Taloha]], izay nisy teo anelanelan'ny taona 247 tal. J.K. sy 224 taor. J.K. I Arsaka I, mpitarika ny Parny izay fokom-pirenena skita any Azia Afovoany, no nanorina ny Empira partiana tao antenantenan'ny taonjato faha-3 tal. J.K. rehefa nalainy i [[Partia]] ao avaratra atsinanan'i Iràna, izay faritany (na strapia) nikomy tamin'ny [[Empira seleokida]]. I [[Mitridatesy I]] (171 - 138 tal. J.K.) no nanitatra ny empira tamin'ny fakany an'i [[Media]] sy i [[Mesopotamia]] teo am-pelantanan'ny [[Seleokida]]. Rehefa tonga tamin'ny tampon'ny heriny ny Empira partiana dia niitatra hatrany amin'ireo loharanon'i [[Eofrata]], ao amin'ny antsoina ankehitriny hoe [[Torkia]] Atsimo-Atsinanana, ka hatrany [[Iràna]] Atsinanana. Vakivakin'ny [[lalan'ny landy]], izay mampitohy ny [[Empira Romana|Empira rômana]] ao amin'ny tany lemaka manodidina ny [[Ranomasina Mediteranea]], amin'ny [[Empira hana]] tany [[Sina]], ny Empira partiana, ka lasa vinany fihaonan'ny kolontsaina sy ny raharaham-barotra.
 
Ny Partiana na Parta dia nandray ny fanao ara-javakanto sy ara-maritrano sy ara-pivavahana, ary ny famantaram-panjakan'ny Empirany ahitana singa isankarazany iangonan'ny kolontsaina persiana sy grika sy armeniana ary eo an-toerana.
Ligne 6 ⟶ 7 :
 
Ny fahavalo voalohan'ny Partiana dia ny Seleokida ao andrefana sy ny Skitiana ao atsinanana. Rehefa nihaniitatra anefa ny Empira partiana dia niady tamin'ny fanjakan'i [[Armenia]] i Partia avy eo tamin'ny Repoblika rômana. Rehefa resy ny Rômana izay notarihin'i [[Marko Likinio Kraso]] (latina: ''Marcus Licinius Crassus'') dia iresy tao Haràna ([[Fiteny persana taloha|persiana]]: ''Harrân'') na Karay ([[Fiteny grika|grika]]: ''Κάρραι'' / ''Karrhai'') tamin'ny taona 53 tal. J.K. sy tamin'ny taona 40-39 tal. J.K., nalain'ny Partiana ny tany Atsinanana manontolo, afa-tsy i Tiro. Na izany aza dia namaly fanafihana i [[Marko Antonio]] (latina: ''Marcus Antonius'') ary emperora rômana maro no niditra nanafika tany [[Mesopotamia]] nandritra ny ady persiana-rômana. Naka matetika ny tanànan'i Seleokia sy i Ktesifôna ny Rômana tamin'ireo ady ireo nefa tsy afaka nitazona izany maharitra. Nisy koa ny ady an-trano niseho matetika teo amin'ireo te handray ny fitondrana partiana ka izany dia nampidi-doza kokoa noho ny fananiham-bohitry ny fahavalon'ny Partiana ka nahatonga ny tanjaky ny Empira partiana hikorosy fahana sy holevona tsy misy intsony tamin'ny fikomian'i Ardashira I (na [[Artakserksesy I]]) mpanjaka any amin'ny faritry ny Farsa (na Parsa), nanohitra ny Arsakida sady namono an'i Artabàna, mpanjakany farany, tamin'ny taona 224 taor. J.K. Nanorina ny [[Empira sasanida]] i Ardashira I, dia ilay empira nanjaka tao Iràna sy tamin'ny ankabeazan'ny tany [[Atsinanana Akaiky]] hatramin'ny nahazoan'ny Miozolmàna tanteraka izany faritra izany tamin'ny taonjato faha-7. Afaka nitohy tao Armenia ny fanapahan'ny taranaka arsakida hatramin'ny taona 428 taor. J.K.
 
<br />