Antiôkia: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Andalana faha-43:
Nihanihen-daza i Antiokia teo amin'ny lafiny fivavahana kristiana rehefa nihanandroso i [[Konstantinopoly]] sy natsangana ho patriarkata i Jerosalema. Lasa lefy hery ny fiangonan'i Antiokia vokatr'ireo "[[fampianaran-diso]]" toy ny [[Arianisma (teolojia)|arianisma]] sy ny [[nestorianisma]] ary ny [[monofizitisma]].
 
Tamin'ny taonjato faha-4 sy faha-5 dia nisy sekoly teolojika izay nandray anjara tamin'ny fifandirana teolojika tamin'izany fotoana izany izay nanohana ny tokony handraisana ara-bakiteny ny zavatra voasoratra ao amin'ny [[BibolyBaiboly]]. Nalaza tamin'izany i Diodora avy any Tarsy, i Teodoro avy any Mopsoestia (atao hoe koa Teodoro avy any Antiokia), i Teodoreto avy any Kiro ary indrindra i Joany Krisostomo. Nanohitra indrindra ny sekolin'i Aleksandria izay nanohana ny fandraisana an-tsarinteny (alegorika) ny [[Soratra Masina]] izany.
 
=== Andro Antenantenany ===
Andalana faha-57:
Azon'ny Torka i Antiokia tamin'ny taona 1489 ka nasiany tobi-milisy (torka: ''Yeniçeri''). Lasa tanana mitokana i Antiokia ka tsy nandalovan'ny lalana fivezivezen'ny varotra mankany Alepo (fr.: ''Alep''; angl: ''Aleppo''; arabo: ''Ḥalab''), tanàna any Siria. Ireo sambo avy any Eoropa dia mampidina entana ao Aleksandreta na Iskenderona (torka: ''İskenderun'') tamin'ny taonjato faha-17. Ny entam-barotra dia nandray ny lalana makany Alepo izay ahitana solontena eoropeana ka isan'izany ny an'i Frantsa nanomboka tamin'ny nanjakan'i François I. Tsy ao Antiokia intsony no nanaovana ny raharaham-barotra fa any an-kafa.
 
Tamin'ny taona 1832 dia nalain'i Ibrahim Pacha tamin'ny anaran'ny rainy Muhammad Ali (fr.: ''Mehemet'' ''Ali''), lefitry ny mpanjakan'i Ejipta, i Antiokia. Naverina tamin'ny Torka i Antiokia nandritra ny "filaminan'i Kotahia" (''Kütahya'') nanomboka tamin'ny taona 1833. Ahitana vahoaka sy foko isan-karazany ao Antiokia. Ny ankamaroany dia Siriana, mihabetsaka koa ireo voanjo torka, ahitana vahoaka kristiana betsaka koa ao, indrindra ny Grika sy ny Armeniana.
 
Izany fahasamihafan'ny foko misy ao izany dia niteraka fifandrafian'ny mponina tao Antiokia tamin'ny fanombohan'ny taonjato faha-20. Nisafidy ny hanohitra tamin'ny fampiasana fitaovam-piadiana ny Armeniana izay niharan'ny fanenjehana tamin'ny taona 1915 ka nihataka teny amin'i Mosa Dagh ("Tendrombohitr'i Mosesy"), eo anelanelan'ny tanànan'i Antiokia sy ny ranomasina, ary notaterin'ny tafika an-dranomasina frantsay efa tamin'ny fotoana farany hiala avy ao.