Epistily voalohany nosoratan' i Joany: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Zithal (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Marika: Hanova araka ny hitan'ny maso Fanovana avy amin'ny finday Fiovana tamin'ny alalan'ny tranonkala finday Modification sur mobile avancée
Zithal (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Marika: Hanova araka ny hitan'ny maso Fanovana avy amin'ny finday Fiovana tamin'ny alalan'ny tranonkala finday Modification sur mobile avancée
Andalana faha-16:
 
== Famintinana ==
Mety ho fiangonana maromaro no nandefasana ny epistily mba hanampiana azy ireo ho mahatoky ao amin'ny finoana. Tandindomin-doza ireo fiangonana ireo amin'ny fisian'ny mpaminany sandoka (1Joa. 4.1) izay mandà ny maha avy amin' Andriamanitra an'i Jesosy Kristy tonga nofo (1Joa. 4.2). Ny fampianaran'ireo [[antikristy]] ireo (1Joa. 2.8) dia hita fa endriky ny [[gnostisisma]] vao miforona, dia filozofia ara-pivavahana izay milaza fa ny fahalalana ihany no ahafaha-manakatra an' Andriamanitra (1Joa. 2.4). Nanohintohina ny fiombon'ireo fiangonana tany amboalohany izany fampianarana izany ka nahatonga ny mpanoratra hanao izay hialan'ireo antikristy ireo eo amin'ny Fiangonana (1Joa. 2.19).
 
Mikendry ny hanoherana ny "fanahin'ny fampiviliana"<ref><small>Voambolana: "fanahin'ny fampiviliana" ny ao amin'ny Baiboly protestanta amin'ny teny malagasy.</small></ref> na "fanahin'ny fahadisoan-kevitra"<ref><small>Voambolana: "fanahin'ny fahadisoan-kevitra" ny ao amin'ny Baiboly katolika amin'ny teny malagasy.</small></ref> (1Joa. 4.6) izay nampidirin'ireo mpaminany sandoka ireo ity epistily ity. Satria nisy ny fisarahana (1Joa. 4.3), ny Kristiana tsy mifankatia (1Joa. 2.9; 4.20), izay mihevi-tena ho tsy manam-pahotana. Ny sasany indray nandao ny Fiangonana. Nampahatsiahy ny fanambaràna marina ny mpanoratra, dia ny amin'ny mafamaha fitiavana an'Andriamanitra ka nandefasany ny [[Zanak'Andriamanitra|Zanany]] ho sorona hanadiovana ny fahotantsika. Tsindrian'ny mpanoratra koa fa raha toy izany no nitiavan' Andriamanitra antsika dia tokony hifankatia koa isika satria ny fifankatiavantsika no hitoeran'Andriamanitra amintsika ka hahatanteraka ny fitiavany antsika (1Joa. 4.8-12).
 
== Jereo koa ==