Fiteny someriana: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Zithal (dinika | fandraisan'anjara)
k Rohy
Marika: Hanova araka ny hitan'ny maso Fanovana avy amin'ny finday Fiovana tamin'ny alalan'ny tranonkala finday
Zithal (dinika | fandraisan'anjara)
k Rohy
Marika: Hanova araka ny hitan'ny maso Fanovana avy amin'ny finday Fiovana tamin'ny alalan'ny tranonkala finday Modification sur mobile avancée
Andalana faha-1:
Ny '''fiteny someriana''' dia fiteny notenenina tao [[Mesopotamia]] Ambany tamin'ny [[Andro Taloha]]. Io no fiteny notenenina tao [[Somera]] tamin'ny taonarivo faha-4 sy faha-3 tal. J.K. nefa namela toerana tsikelikely ho an'ny [[Fiteny akadiana|fiteny akadiana]] izy ka tsy nisy mpiteny intsony hatramin'ny taonjato faha-19 tal. J.K. na dia lazaina fa miteny amin'ny fiteny roa (someriana-akadiana) ny ankabeazan'ny mponina tamin'izany. Ny fiteny someriana, sahala amin'ny [[fiteny haty]] sy ny [[fiteny elamita]], dia fiteny sarotra sokajina amin'ireo fianakaviam-piteny fantatra ankehitriny: heverin'ny manam-pahaizana ho [[fiteny manirery]] ny fiteny someriana.
 
Ny fiteny someriana dia heverina ho ny fiteny voasoratra tranainy indrindra, izay nosoratana tamin'ny [[soratra miendri-pantsika]]. Io soratra io ihany no nanoratana ny [[Fiteny akadiana|fiteny akadiana]], ny [[Fiteny ogaritika|fiteny ogaritika]], ny [[Fiteny amorita|fiteny amorita]] ary ny [[Fiteny elamita|fiteny elamita]] taty aoriana. Ireo mpanjaka egiptiana te hifandray amin'ireo faritaniny any [[Atsinanana Akaiky]] sy tamin'ireo mpanjaka mesopotamiana. Nanoratana ny [[Fiteny indô-eoropeanina|fiteny indo-eoropeana]] toy ny [[Fiteny hitita|fiteny hitita]] sy ny [[Fiteny persana taloha|fiteny persana tranainy]] koa ny soratra miendri-pantsika.
 
Nisolo tsikelikely ny fiteny someriana ny fiteny akadiana amin'ny maha fiteny tononina azy nanodidina ny taonjato faha-20 tal. J.K. nefa mbola nampiasaina ho fiteny masina sy fiteny ampiasaina amin'ny lanonana sy ny haisoratra ary ny siansa ny fiteny someriana tao [[Mesopotamia]] hatramin'ny taonjato voalohany tal. J.K.
 
== Jereo koa: ==