Fiteny akadiana: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Andalana faha-1:
Ny '''[[Fiteny akadiana|fiteny akadiana]]''' dia [[fiteny hamito-semitika]] ao amin'ny fianakaviam-[[Fiteny semitika|piteny semitika]] efa tsy misy mpiteny intsony izay nandray ny vokatry ny fifampikasohany tamin'ny [[Fiteny someriana|fiteny someriana]]. Teny velona izy tamin'ny fiandohan'ny taonarivo faha-3 ka hatramin'ny taonarivo voalohany tal. J.K. tao [[Mesopotamia]]. Avy amin'ny anaran'ny tanàna atao hoe [[Akady]] (''Akkad'') izay renivohitry ny fanjakana mitovy anarana aminy. Nadritra ny taonarivo faha-2 sy voalohany tal. J.K. dia nisy endriky ny fiteny akadiana roa: ny [[Fiteny babiloniana|fiteny babiloniana]] tao amin'ny tapany atsimon'i Mesopotamia (tao [[Babilonia]]) sy ny [[Fiteny asiriana|fiteny asiriana]] tao amin'ny tapany avaratra ([[Asiria]]). Nandritra ireo taonjato faramparany nisian'ny fiteny akadiana dia nihavitsy ny mpiteny azy noho izy voasongon'ny [[Fiteny arameana|fiteny arameana]] ka nahatonga azy tsy nampiasaina raha tsy tamin'ny sehatry ny asa soratr'ireo manampahaizana tao Babilonia taty aoriana. Amin'ny sora-pantsika no nanoratana ny fiteny akadiana.
 
Maro ireo asa soratra momba ny [[Fedrà|fedrà,]] ny lalàna, ny siansa, ny fifandraisana an-tsoratra, ny tantara, ny tononkalo ary ny hafa koa.