Fianakaviam-piteny sinô-tibetana: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Fianakaviam-piteny any Azia
 
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Fianakaviam-piteny any Azia
Andalana faha-1:
[[Sary:Major Sino-Tibetan groups.png|vignette|297x297px|Sarintany maneho ny fitsinjaran'ireo fiteny sino-tibetàna. Mena: sampam-piteny sinoa; mavo: sampam-piteny tibetika; maitso: sampam-piteny lolo-birmàna]]
Ny '''fiteny sino-tibetana''' dia [[fianakaviam-piteny]] any [[Azia Atsinanana]] sy [[Azia Atsimo Atsinanana]] sy [[Azia Afovoany]] ary [[Azia Atsimo]]. Isan'io fianakaviam-piteny io ireo fiteny sinoa izay ahitana fiteny folo tetenin'ny olona miisa 1 350 000 000 any ho any, sy ireo fiteny tibeto-birmana izay ahitana fiteny miisa 330 any ho any ary tenenin'ny olona miisa 70 000 000 any hoany.
 
Ilay mpiokaroka atao hoe Laurent Sagart dia nanolo-kevitra ny hampiditra ny fianakaviam-piteny sino-tinetana sy ny fianakaviam-piteny aostroneziana ao amin'ny fianakaviambem-piteny atao hoe sinotinetana-aostroneziana. Ireo fiteny aostronesiana izay miely ahtraty Madagasikara ka hatrany amin'ireo nosin'i Pasifika dia samy nipoitra avy any Taioàna, sady manana voanteny mifanahaka endrika sy hevitra amin'ireo fiteny formiziana.
 
Misy sampana efatra lehibe ny fianakaviam-piteny sino-tibetàna, dia: ny sampam-piteny sinoa na sinitika, ny sampam-piteny tibetika, ny sampam-piteny lolo-birmàna ary ny sampam-piteny karena. Misy koa fiteny maro hafa izay tsy isan'ireo sampam-piteny ireo.
 
== Ireo sampam-piteny ao amin'ny fianakaviam-piteny sino-tibetàna ==
 
=== Ny sampam-piteny sinoa na sinitika ===
Ny sampam-piteny sinoa na sinitika dia ahitana ny fiteny mandarina, ny fiteny oio, ny fiteny kantoney, ny fiteny minio, ny fiteny siangio, ny fiteny haka, ary ny fiteny ganio. Misa any amin'ny 1 300 tapitrisa ny mpiteny sinoa.
 
=== Ny sampam-piteny tibetika ===
Ny sampam-piteny tibetika dia ny fiteny tibetàna afovoany, ny fiteny tibetàna amdo, ny fiteny tibetàna kama, ireo fiteny jongka-koka, ireo fiteny ladaki-balty, ireo fiteny laholi-spity, ny fiteny kirong-kagata, ny fiteny serpa-jirela, ary fiteny maro hafa koa. Miisa any amin'ny 6 tapitrisa any ny mpiteny tibetika/
 
=== Ny sampam-piteny lolo-birmàna na lolo-bormezy ===
ny sampam-piteny lolo-birmàna na lolo-bormezy dia ahitana ireo fiteny mondzisy, ireo fiteny bormisy, ireo fiteny loloisy ary ireo fiteny mroiky. Miisa any amin'ny 33 tapitrisa ny mpiteny bormezy.
 
=== Ny sampam-piteny karenika ===
Ny sampam-piteny karenika dia ahitana ny fiteny paô, ny fiteny poô, ireo fiteny sgao–bgay.
 
Misy koa fiteny maro hafa izay tsy isan'ireo sampam-piteny ireo fiteny bodo-garo, ireo fiteny koki-tsina, ireo fiteny meitey, ireo fiteny tamangika, ireo fiteny bay, ireo fiteny jingfô-loisy.