Fiteny volapoky: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
HRoestBot (dinika | fandraisan'anjara)
k r2.6.5) (Rôbô Nanampy: mzn:ولاپوک
Aucun résumé des modifications
Andalana faha-2:
[[Sary:Litzelstetten Volapuek.jpg|thumb|Menade - Püki bal « olombelona iray - fiteny iray » amin'ny fiteny volapioky|right|220px]]
 
Ny '''fiteny volapioky''' na '''volapoky''' na koa '''volapük''' dia fiteny noforonin'ny mompera kristianina katôlika alemana [[Johann Martun Schleyer]] (1831-1912), avy anyao [[Baden]], any Alemaina.
 
== Etimôlôjia ==
 
Ny teny '''volapük''', nogasiana ho '''volapoky''' na '''volapioky''' amin'ny teny malagasy, dia avy amin'ny fototeny ''vol'' midika 'izao tontolo izao' sy ''pük'' midika 'fiteny'. Araka izany, ny ''volapük'' dia midika 'fitenin'izao tontolo izao'. Amin'ny teny alemana, ''Weltsprache'' no teny anononana ny fiteny volapoky.
 
Ny olana lehibe ny fiteny volapoky dia ilay voambolana sarotra ianarana, miaraka amin'ny hasarotan'ny fanonona ny teny. Tsy tian'i Schleyer novana izany ka izay no nahatonga ny fiteny volapoky tsy dia be mpiteny intsony ankehitriny. Ankehitriny, ny teny namboarina be mpiteny dia ny fiteny esperanto (iray tapitrisa), ny fiteny ido (iray hetsy), ny fiteny interlingua (vitsy ny tena mpiteny, fa mora azon'ny olona mahay miteny fiteny latina, izany hoe eo amin'ny 900 tapitrisa eo manerana izao tontolo izao), vitsy zanapeo nohon'ny fiteny volapoky ireo fiteny naorina telo ireo, ary manamora ny fanononana izany.
 
== Tantara ==
 
NahazoNahita fahombiazana haingana ny fiteny volapuk, iray hetsy tsy latsaka ny isan'ny mpiteny volapuk any [[Eoropa]] sy any [[Amerika]]. Tany [[Aotrisy]] aloha izy no niraraka, satria no namoronana ny orinasa fanaparitahana ny fiteny volapioky tamin'ny 1882. Tamin'ny 1884, niparitaka tany Holandy sy tany Belzika izy. Tamin'ny 1885, Auguste Kerckhoffs, mpampianatra any amin'ny [[Hautes Etudes Commerciales]] any [[Paris]] dia nanaparitaka azy tao [[Frantsa]] amin'ny alalan'ny kaonferansany sy ny famoahany, nanosika ny famoronana fikambanam-pirenena ho an'ny fandrarahana ny fiteny volapioky.
 
Nihabetsaka dia nihabetsaka ny olona naomboka nianatra teny volapoky tamin'io faran'ny taonjato faha 19 io, ary, tamin'ny 1889, eo amin'ny 283 eo ho eo ny isan'ny klioba volapoky, gazety 25 momban'ny fiteny volapoky, ary boky 316 amin'ny fiteny 25 momban'ny fiteny volapoky. Fa noho ny fandavan'i Schelyer hanova ny fitsipi-pitenenana sy ny voambolana, nihavitsy ny isan'ny olona nianatra ny fiteny volapoky. Ary amin'izao fotoana izao, eo amin'ny 20-30 eo ho eo sisa ny isan'ny olona mahay miteny volapoky. Ny vondrona Yahoo! ho an'ny fiteny volapoky izao dia misy eo amin'ny mpikambana roanjato eo ho eo.
 
 
 
{{vangovango}}