Mesianisma: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Zithal (dinika | fandraisan'anjara)
Tsipelina
Marika: Hanova araka ny hitan'ny maso Fanovana avy amin'ny finday Fiovana tamin'ny alalan'ny tranonkala finday Modification sur mobile avancée
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Tsipelina sy rohy
Andalana faha-1:
Ny '''mesianisma''' dia dia [[foto-pampianarana]] miorina amin'ny fiandrasana sy ny fanomanana vaninandro vaovao izay hitondra fahafahana sy fahasambarana ary fiadanana eto an-tany sady finoana ny fahatongavan'ny olona hitondra izany fanafahana ny olombelona na ny vahoaka voageja izany, ka izany olona izany dia atao hoe ''[[Mesia]]'' na ''Masia'' (izay midika hoe "voahosotra") ao amin'ny [[fivavahana abrahamika]]. Tsy ny fivavahana abrahamika ihany no ahitana mesianisma fa fivavahana maro hafa koa. Ny herin'ny mesianisma dia ny fahafahany mandresy lahatra ny mpanaraka azy amin'ny fampanantenana fa ny fahoriana miseho amin'izao fotoana izao dia mialoha ny hiavian'ny zava-tsoa tsara lavitra hoavy.
 
Miitatra ny hevitry ny hoe ''mesianisma'' ka tsy mijanona amin'ny sehatry ny fivavahana fa amin'ny lafiny politika koa ka midika ho fanantenana fanafahana politika ireo tany na firenena voageja.
 
== Mesianisma ao amin'reoireo fivavahana abrahamika ==
Ao amin'ireo fivavahana [[Monoteisma|monoteista]] telo lehibe ([[jodaisma]] sy [[kristianisma]] ary [[Finoana silamo|silamo]]) dia manambara ny lasa sy ny hoavy ny hoe ''Mesia''. Mampahatsiahy ny lasa io anarana io amin'ny fiainan'ny Mesia amin'ny maha mpaminany sy iraka azy. Mampibanjina ny hoavy kosa izy amin'ny fiverenany ety an-tany izay hiady amin'ny mesia sandoka. Ny Kristiana sy ny Silamo ihany anefa no manao an'i Jesoa ho Mesia.
 
=== Mesianisma jiosy ===
Ao amin'ny [[Baiboly hebreo]] dia nohosoran'ny mpaminany [[Samoela]] i [[Saoly]] (na Saola) sy i [[Davida (mpanjaka)|Davida]].
 
Ny mesianisma jiosy dia mino ny fiverenan'ny mpaminany [[Elia]] (Malakia 4.5) sy ny fiavian'ny Masiah (hebreo: (מָשִׁיחַ / ''Mashia'h'' "voahosotra"). Ny mesianisma jiosy anefa tsy tokony hafangaro amin'ny jodaisma mesianista (izay endrika voalohan'ny nanjary kristianisma taloha) sy amin'ny [[jodaisma mesianika]] (izay fihetsiketsehana [[Jodeo-kristianisma|jodeo-kristiana]] mitory ny [[filazantsara]] nefaka tsy isan'ny jodaisma). Taty aoriana ny mesianisma jiosy dia miandry ny fiavian'ny ''Mesia'' izay mety ho olona tokana na maro.
 
Ny mesianisma dia nandroso dia nandroso tao amin'ny vahoaka jiosy tamin'ny taonjato voalohany, tamin'ny nandidian'ny emperora romana [[Titosy (emperora)|Titosy]] ny amin'ny fandravana ny [[Tempoly Faharoa|Tempolin'i Jerosalema]]. Nanohitra ny fahavalo romana ny mpitondra fivavahana sy ny fihetsiketseham-panoherana mitam-piadiana ka nanambara ny fiavian'ny Mesia izay hifanandrify amin'ny fanafahana an'i Israely, dia izany hifarana amin'izany ny fahababoana ary hamboarina indray ny Tempoly, avy eo dia hitsangan-ko velona ny maty.
 
=== Mesianisma kristiana ===
Ny [[eskatolojia]] kristiana dia mlinomino fa i [[Jesoa]] avy any [[Nazareta]] no Mesia na Kristy, izay niaina tamin'ny taonjato voalohany, sady mino ny [[Fiaviana fanindroany|fiaviany indray]] ety an-tany, izay hialohavan'ny vavolombelona roa, dia i [[Elia]] sy i [[Henoka]] (Apokalipsy 11.3.). Ny Mesia kristiana, izay antsoiny hoe ''Kristy'' (grika: Χριστός / ''Christós''), dia efa tanteraka ao amin'i [[Jesoa]] izay inoany fa mpamonjy sy [[zanak'Andriamanitra]].
 
=== Mesianisma silamo ===
Ny Miozolmana dia mino fa ny fiavian'i Mahdi fanindroany sy ny fiavian'i Īsā (Jesoa) fanindroany. Ny [[Finoana silamo|Silamo]] dia miantso ny Masiany (arabo: المسيح / ''Masih''), izay tsy izay fa i Jesoa (arabo: عيسى بن مريم / ''ʿĪsā ibn Maryam'' "Jesoa zanak'i Maria") ihany. Ao amin'ny [[Kor'any]] dia manondro an'i Jesoa ny teny hoe ''Masih'', izay inoana fa "fanomezana" sy "zanaka madio" nambaran'ny anjely Jibrily ([[Gabriela (arikanjely)|Gabriela]]) niseho tamin'i Mariam ([[Maria (renin'i Jesoa)|Maria]]) araka ny sorata 19.19 (Sorata "Maryam"): "Hoy izy: Iraky ny Tomponao hanome anao zanaka madio".
 
Ao amin'ny Kor'any dia manondro an'i Jesoa ny teny hoe Masih, izay inoana fa "fanomezana" sy "zanaka madio" izay nambaran'ny anjely Jibrily (Gabriela) niseho tamin'i Mariam (Maria) araka ny sorata 19.19 (Sorata "Maryam"): "Hoy izy: Iraky ny Tomponao hanome anao zanaka madio".
 
== Mesianisma amin'ny fivavahana hafa ==
 
=== Mesianisma hindo ===
Manana ny mesiaMesia atao hoe ''Kalki'' ny [[Hindoisma|Hindo]].
 
=== Mesianisma bodista ===
Ligne 32 ⟶ 30 :
Nisy ny fihetsiketsehana mesianika izay mampitovy ny fikendrena mesianika sy ny tanjona ara-politika. Tamin'ny taonjato faha-17 dia nisy, tao amin'ny fanjakan'i Kongo voazanaky ny [[Pôrtogaly|Portogaly]], ohatra, lehilahy tao amin'ny sarangan'ny olona ambony atao hoe Kimpa Vita na Dona Béatrice izay nampiditra ny fitantarana kristiana tao amin'ny kolontsaina afrikana sady nanambara niaraka tamin'izay ny famerenana amin'ny laoniny an'io fanjakana io sy ny fiavian'ny taranak'olombelona vaovao.
 
Matetika ny mesianisma dia manohitra ny Fiangonana, rehefa mifangaro ny fivavahana sy ny politika. HiataHita ao amin'ny [[Epistily ho an'ny Tesaloniana|Epistily ho an'ny Tesalonisiana]] izany, izay nanaovan'i [[Paoly (apostoly)|Paoly]] fampitandremana izayireo izay manana fanahy "mihetsiketsika" na "tataitra" noho ny faminaniana ny amiamin'ny fahantomotry ny "[[Andron'ny Tompo]]" (na "[[Andron'i Jehovah]]"). I VatikanaVatikàna koa dia nampitandrina ireo mpiaro ny [[teolojian'ny fanafahana]], izay mampitovy ny ady ara-panahy amin'ny adin-tsaranga izayka nahatonga ny Fiangonana katolika nisaraka tamin'ireo firehana mesianika.
 
== Jereo koa ==