Herinandro Masina: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Andalana faha-1:
[[Sary:Última Cena - Juan de Juanes.jpg|vignette|366x366px|''Fiaraha-misakafo farany'', sary nataon'i Juan de Juanes, 1562.]]
Ny '''Herinandro Masina''', na '''Herinandro Mangina''' amin'ny Kristiana, dia ny herinandro mialoha ny [[Paska]] (na Paka) sady ampahany farany amin'ny fari-potoan'ny [[Karemy]]. Ahatsiarovana ny Fiaretan'i Kristy fijaliana ny Herinandro Masina. Ny [[telo andron'ny Paska]] (latina: ''Triduum paschale'') amin'ny Fiaretan'i Kristy sy ny [[Fitsanganan'i Kristy tamin'ny maty]] dia manomboka amin'ny Alakamisy hariva amin'io herinandro io ka mifarana amin'ny harivan'ny [[Alahadin'ny Paska]]. Ireo telo andro ireo no tampon'ny taona litorjika satria tamin'ny alalan'ny fahafatesana no nandresen'i [[Kristy]] ny fahafatesana ary ny tamin'ny fitsanganany ho velona no namerenany indray ny fiainana. Ny Herindro Masina dia ahitana ny Alahadin'ny Sampan-kazo, ny Alatsinainy Masina, ny Talata Masina, ny Alarobia Masina, ny Alakamisy Masina, ny Zoma Masina, ary ny Asabotsy Masina. Ny Ortodoksa dia miantsio ny Herinandro Masina hoe '''Herinandro Lehibe'''. Ny Ortodoksa any Romania dia mampiasa ny hoe '''Herinandron'ny Fijaliana'''.
 
Ny Herinandro masina dia ahitana lanonana litorjika izay tsy hita raha tsy indray mandeha monja anatin'ny taona. Ny voalohany amin'izany dia ny Alahadin'ny Sampan-kazo na Alahadin'ny Sampan-drofia.