Advento: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Zithal (dinika | fandraisan'anjara)
k Rohy
Marika: Hanova araka ny hitan'ny maso Fanovana avy amin'ny finday Fiovana tamin'ny alalan'ny tranonkala finday Modification sur mobile avancée
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Andalana faha-1:
[[Sary:Adventskranz-1.Advent.jpg|vignette|274x274px|Satroboninahitry ny Advento]]
Ny '''[[Advento]]''' na [[Advento|'''Fiaviana''']], ao amin'ny [[Tetiandro litorjika kristiana|tetiandro litorjika]] kristiana, dia fotoana maharitra efatra herinandro mialoha ny [[Noely]] na [[Krismasy]] manomboka amin'ny andro [[Alahady]] manodidina ny 30 Novambra. Fotoana fiomanana alohan'ny fankalazana ny [[Fahaterahan'i Jesoa|nahaterahan'i Jesoa Kristy]] izany. Fiangonana kristiana maro no mitandrina sy mankalaza ny Advento na ny Fiaviana amin'ny maha andro fiandrasana ny fankalazana ny nahaterahan'i Jesoa Kristy (dia ny [[Noely]] na [[Krismasy]]) sy ny [[Fiaviana fanindroany|fiaviany fanindroany]] ety an-tany azy.
 
Ny Advento no fanombohan'ny [[taom-piangonana]] tandrefana sady manomboka amin'ny Alahady fahefatra alohan'ny Noely na Krismasy, izay atao hoe Alahadin'ny Advento, dia ny Alahady manakaiky ny 30 Novambra (ao amin'ny [[Fiangonana katolika romana|Katolika romana]], ny [[Ortodoksa tandrefana]], ny [[Anglikanisma|Anglikana]], ny [[Loteranisma|Loterana]], ny Moraviana, ny [[Presbiterianisma|Presbiteriana]], ny [[Metodisma|Metodista]]). Raha maharitra efatra herinandro ny fotoam-piandrasana ho an'ny Fiangonana katolika sy Protestanta dia enina herinandro kosa ny fari-potoan'ny Advento ho an'ny Fiangonana ortodoksa noho izy ireo mankalaza ny nahaterahan'i Jesoa amin'ny andron'ny [[Epifania]].
Andalana faha-7:
 
== Fiforonan-teny ==
Avy amin'ny [[Fiteny latina|teny latina]] hoe ''Adventus'' ny hoe ''Advento,'' kaizay midika hoe "fiaviana" na "fahatongavana". Fotoana fanombohan'ny [[taom-piangonana]] ny Advento. Ny teny latina hoe ''Adventus'' dia nandikana ny [[Fiteny grika|teny grika]] hoe ''parousia'' izay ampiasaina hilazana ny [[Fiaviana fanindroany|Fiavian'i Kristy Fanindroany]].
 
== Ny lohahevitra amin'ny Alahady efatra ==