Samaritana: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Zithal (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Marika: Hanova araka ny hitan'ny maso Fanovana avy amin'ny finday Fiovana tamin'ny alalan'ny tranonkala finday Modification sur mobile avancée
Zithal (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Marika: Hanova araka ny hitan'ny maso Fanovana avy amin'ny finday Fiovana tamin'ny alalan'ny tranonkala finday Modification sur mobile avancée
Andalana faha-2:
Ny '''[[Samaritana]]''' dia vahoaka monina ao [[Isiraely|Israely]] sy [[Sisjordania]] ka ao [[Samaria]], tanàna ao amin'ny tapany avaratr'i [[Palestina]], no tany nonenan'ireo razany izay nanjaka tao mandraka amin'ny taonjato faha-5. Tsy milaza ny tenany ho [[Jiosy]] izy ireo nefa mihevi-tena ho taranaky ny [[Israelita]] fahiny nonina tao amin'ny [[Fanjakan'i Israely (Samaria)|Fanjakan'i Israely]] tao avaratra tao Samaria. Misy ny Jiosy mihevitra azy ireo ho taranak'olona vahiny tsy Israelita. Na tamin'ny andro mifanandrify amin'ny zavatra tantaraina ao amin'ny [[Testamenta Vaovao]] dia navakavahan'ny Jiosy ny Samaritana. Ny [[Isiraely|Fanjakan'i Israely]] amin'izao fotoana izao anefa dia manao ny Samaritana ho Jiosy.
 
Manana fivavahana mifanakaiky amin'ny [[Jodaisma|fivavahana jiosy]] azy manokana, atao hoe ''samaritanisma'', ny Samaritana, nefa ny boky dimy voalohany ao amin'ny [[Baiboly]] ihany (atao hoe [[Pentateoka]]), fa tsy ny [[Baiboly hebreo]] manontolo, no ekeny ho [[Soratra Masina]]. Ny tendrombohitra [[Tendrombohitra Garizima|Gerizima]] no tendrombohira masina fa tsy i [[Ziona]] na Siona. Manana ny abidiny manokana koa izy ireo dia ny [[abidy samaritana]] izay tsy mitovy amin'ny [[abidy hebreo]]. Amin'izao fotoana izao dia misy ny Samaritana israeliana sy ny Samaritana jordaniana ary ny Samaritana palestiniana. Vitsy izy ireo satria tamin'ny taona 2007 dia 796 no isany.
 
Ny Samaritana dia mihevitra fa taranaky ny foko folo lazaina fa very, indrindra fa ireo [[Fokon'i Josefa|foko roan'i Josefa]], dia ny [[fokon'i Manase]] sy ny [[fokon'i Efraima]], ary koa ny [[fokon'i Levy]].