Dariôsy I: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Zithal (dinika | fandraisan'anjara)
Rohy
Marika: Hanova araka ny hitan'ny maso Fanovana avy amin'ny finday Fiovana tamin'ny alalan'ny tranonkala finday Modification sur mobile avancée
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Rohy
Andalana faha-24:
Navelany ka tsy nenjehiny ny fivavahana maro hafa ka izany no nahatonga ny [[Jiosy]] hanaja azy, dia ny Jiosy izay navelany hanaboatra ny [[Tempoly Faharoa|Tempolin'i Jerosalema]] tamin'ny taona 516 tal J.K. Nanaja azy koa ny Egiptiana izay nanana mpisorona lasa mpanolo-tsaina an'i Dariosa I.
 
Mba hiarovany ny sisin-tanin'ny fanjakany dia niezaka naka tany nanamorona ny renirano Indosy any atsinanana sy any Kaokazy any avaratra atsinanana i Dariosa I, nefa tsy nahomby izany tamin'ny taona 516 tal. J.K. tamin'ny nandefasany miaramila hiady amin'ireo foko tao [[Danoba]].
 
Tamin'ny taona 499 tal. J.K. dia maro ireo mpila ravin'ahitra grika avy any Azia Minora nikomy tamin'ny mpanjaka persiana. Rehefa nitsahatra ny fikomiana tamin'ny taona 493 tal. J.K. dia tapa-kevitra haka an'i Grisia (na Gresy), ka nandefa tafika hanafay ny tananan'i Atena izay nanohana ny mpikomy. Izany no niantombohan'ny adin'ny Grika sy ny Persiana akemenida. Tamin'ny taona 492 tal. J.K. dia ny tafika notarihin'i Mardoniosy vinanton'i Dariosa I niampita an'i Bosfora (andilan-tany mampitohy ny [[Ranomasina Mainty]] amin'ny Ranomasina Marmara) ka niditra tao Traka (grika: Θρᾴκη / ''Thrákê''). Tsy tody tany Grisia anefa izany satria rendrika teo akaikin'ny tanjon'ny tendrombohitra Atosy ny antsasaky ny andian-tsambo saika hanampy azy. Tamin'ny taona 490 tal. J.K. dia nandefa tafika matanjaka nobaikoin'i Artafernesy (persiana: ''Irdanirpa'') (ana-drahalahin'i Dariosa I) sy ilay Mediana atao hoe Datisy ny Persiana niditra tao Grisia avy ao avaratra, nefa resy tamin'ny ady tao Maratona.
 
Matin'aretina tamin'ny taona 486 tal. J.K. i Dariosa I, raha niomana hitarika tafika fanintelony hiady amin'ny Ateniana izy.
 
== Jereo koa ==