Tetiandro babilôniana: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Zithal (dinika | fandraisan'anjara)
Nanitsy
Marika: Hanova araka ny hitan'ny maso Fanovana avy amin'ny finday Fiovana tamin'ny alalan'ny tranonkala finday Modification sur mobile avancée
Andalana faha-1:
Ny '''tetiandro babiloniana''' na '''tetiandro mesopotamiana''' dia [[tetiandro]] nampiasaina tao [[Mesopotamia]] tamin'ny [[Andro Taloha]] izay [[Tetiandro manara-bolana sy masoandro|manara-bolana sy masoandro]], sady ahitana [[Volana (fotoana)|volana]] miisa 12 mitovy faharetana amin'ny tsingerim-pihodinan'ny [[Volana]] izay manomboka rehefa tazana eny amn'ny lanitra ny tsinam-bolana. Ampiana iray volana ny volana 12 rehefa hita fa mihatara loatra ny fanombohan'ny taona (elanelana folo andro) miohatra amin'ny fihodin'ny [[Masoandro]]. Ireo tanàna mesopotamiana anefa dia samy nanana ny tetiandrony avy, sady samy nanana ny anaram-bolana azy manokana avy, ka ny fanombohan'ny taona dia manomboka amin'ny lohataona nefa indraindray koa amin'ny fararano. Taty an-tenantenan'ny taonarivo faha-2 tal. J.K. vao nisy ny fametrahana tetiandro iraisana tany Mesopotamia ka ny tetiandro nampiasaina tao [[Babilona]] no nampiasaina.
 
Fahefan'ny mpanjaka tamin'izany fotoana izany ny manapa-kevitra amin'ny fanovana ny tetiandro, ny manampy anaram-bolana vaovao. Nampifanentanina amin'ny zava-misy ara-toekarena izany (toy ny fizaràna karama, ny fanangonana ny hetra, ny famerenana zana-bola, sns), ary indrindra amin'ny fivavahana, noho ny tetiandro misahanamitana anjara asatoerana lehibe eo amin'ny [[litorjia]]. Ny anaram-bolana dia matetika anaran'ireo fetim-pivavahana lehibe.
 
== Ny tetiandrom-panjakana babiloniana ==