Ray Apôstôlika: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Zithal (dinika | fandraisan'anjara)
k Sora-matevina
Marika: Hanova araka ny hitan'ny maso Fanovana avy amin'ny finday Fiovana tamin'ny alalan'ny tranonkala finday Modification sur mobile avancée
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Ny ray tsirairay
Andalana faha-1:
Ny '''Ray apostolika''', ho an’ny Kristiana, dia ireo mpianatra sy mpandimby ny [[Apostoly roa ambin'ny folo]]. Isan'ny [[Rain'ny Fiangonana|Rain'ny fiangonana]] ny Ray apostolika. Ireo mpanoratra literatiora kristiana tamin’ny fiteny grika sady maty maritiry ihany ary ireo tena nalaza tamin'ny taonjato voalohany sy faha-2 no tondroina indrindra amin'ny hoe ''Ray apostolika''. Ny soratr'izy ireo dia tsy nampidirina ho isan'ny boky ao amin'ny [[Baiboly]] nefa heverina fa fitohizan'ny soratr’ireo apostoly mamorona ny [[kanona]]<nowiki/>n’ny [[Testamenta Vaovao]] sady loharano saro-bidy amin'ny fahafantarana ny tantaran'ny fiangonana. Isan'ny atao hoe nosoratan'ireo ray apostolika ny boky atao amin'ny [[Fiteny grika|teny grika]] hoe Διδαχή / ''Didakhê'' ("Fampianarana" izany hoe fampianaran'ireo Apostoly roa ambin'ny folo) nefa tsy fantatra izay nanoratra azy. Ireto avy ireo Ray apostolika ireo: i [[Klemento avy any Roma]], i [[Ignatio avy any Antiokia]], i [[Polikarpo avy any Smirna]] ary i [[Papiasy avy any Hierapolisy]].
 
== Ireo Ray Apostolika ==
 
=== I Klemento avy any Roma ===
Araka ny filazan'i [[Ireneo avy any Logdanoma|Ireneo]] dia eveka fahatelo tao Roma i Klemento avy any Roma (na Klemento I) sady nifankalala amin'i [[Petera]] sy [[Paoly (apostoly)|Paoly]]. Teraka tamin'ny taona 40 tao [[Roma]] ary maty tamin'ny taona 99 tao [[Roma]] izy. Ray Apostolika voalohany sady [[papa]] izy, nanoratra epistily iray izay nalefan'ny Fiangonan'i Roma tamin'ny taonjato voalohany ho an'ny Fiangonana any Korinto. Fantatra noho io taratasy io sy noho ny vavolombelona maro ny momba azy. Araka an'i Ireneo avy any Logdanoma sy i [[Tertoliano]] ary i [[Eosebiosy avy any Kaisarea]] dia iray amin'ireo eveka voalohan'i Roma, mpadimby an'i [[Petera]] i Klemento. Ankehitriny dia ataon'ny Katolika romana ho papa fahefatra izy (Papa Klemento I).
 
=== I Ignatio avy any Antiokia ===
Teraka tamin'ny taona 35 tao amin'ny faritanin'i Siria ary maty martiry tany Roma I Ignatiosy avy any Antiokia na Ignatiosy Teoforosy, izay dia [[eveka]] fahatelo tao [[Antiokia]], angamba teo anelanelan'ny taona 107 na 113, taorian'i [[Petera]] sy i Evodiosy (avy any Antiokia). Angamba mpianatr'i Petera sy [[Joany apostoly|Joany]] (na Jaona) izy, araka ireo taratasy apostolika nosoratany, izay anoharany ny maritirin'ny finoana amin'ny voambary voatoto tonga mofon'ny [[eokaristia]]. Ireo taratasy apostolilka nosoratany, izay namelatra [[teolojia]] voalohany momba ny [[eokaristia]], dia nahatonga azy hovoaisa ao amin'ireo Ray Apostolika (na Aba Apostolika) sy taranaka faharoa amin'ireo [[Rain'ny Fiangonana]] (Aban'ny Eglizy). Nosamborina noho ny maha Kristiana azy izy ka nentin'ny miaramila mpiambina nankany Roma izay niandrasany ny hanipazana azy tao amin'ny bibidia, nefa tsy fantatra ny fomba nahafaty azy.
 
=== I Polikarpo avy any Smirna ===
Evekan'i Smirna (Izmir ao [[Torkia]] ankehitriny) nandritra ny antsasany voalohany amin'ny taonjato faha-2 i Polikarposy avy any Smirna. Novangian'i [[Ignatio avy any Antiokia]] izy taloha kelin'ny hamonoana azy (taona 116). Tamin'ny faramparan'ny andro niainany dia nisolo tena ireo fiangonana any [[Azia Minora]] izy nandritra ny fivoriana tany Roma niaraka amin'ny [[papa Aniketo]] (155-166). Novonoina tao Smirna i Polikarposy tamin'ny faha-86 taonany. Araka an'i [[Ireneo avy any Logdanoma|Ireneo]], izay mpianany, dia niresaka tamin'i [[Joany (evanjelista)|Joany Evanjelista]], izay mety mpampianatra azy, i Polikarposy.
 
=== I Papiasy avy any Hierapolisy ===
Eveka tao Hierapolisy (any [[Frigia]]) tamin'ny antsasany voalohany amin'ny taonjato faha-2 i Papiasy. Niaina tamin'ny taona 60 hatramin'ny taona 163 izy.
 
Nanoratra ny boky hoe Λογίων Κυριακῶν Ἐξήγησις / ''Logiôn Kuriakôn Eksêgêsis'' ("Fanazavana ny tenin'i Tompo") izay fitambarana boky dimy izy. Izany asasoratra izany dia very ka ampahan-dahatsoratra vitsy no mbola hita ao amin'ny soratr'i [[Ireneo avy any Logdanoma]] (taona 180) sy ao amin'ny soratr'i [[Eosebio avy any Kaisarea]] (taona 329). Loharano momba ny lovantsofin'ny Kristiana voalohany io asasoratr'i Papiasy io, indrindra fa ny niavian'ireo [[Filazantsara|Filazantsara kanonika]]. Araka an'i Ireneo dia nihaino ny toriteny nataon'i [[Joany apostoly|Joany Apostoly]] i Papiasy sady sakaizan'i [[Polikarposy avy any Smirna]]. I Eosebiosy kosa dia milaza fa nino ny [[Milenarisma|Fanjakana arivo taonan'i Kristy]] i Papiasy.
 
== Jereo koa ==