Kipriano avy any Kartago: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Rain'ny fiangonana
 
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Rohy
 
Andalana faha-1:
[[Sary:Cyprian von Karthago2.jpg|vignette|262x262px|I Kipriano avy any Kartago]]
I '''Kipriano avy any Kartago''', izay teraka tamin'ny taona 200, dia evekan'ny Fiangonana tany Afrika, maty martira tamin'ny 14 Septambra 258 tamin'ny fanenjahana Kristiana nataon'ny emperora [[Valeriano]]. ''Thaschus Cæcilius Cyprianus'' no anarany amin'ny [[teny latina]]. Isaina ho [[Rain'ny Fiangonana]] latina i Kiprano.
 
Fianakaviana ambony tsy kristiana tao Kartago no nipoirany, nefa nozarainy tamin'ny mahantra ny ankamaroan'ny fananany rehefa niova ho Kristiana izy tamin'ny taona 245. Voafidy ho [[eveka]]<nowiki/>n'i Kartago izy tamin'ny taona 249. Fotoana fohy taorian'izany dia nanomboka ny fanenjehan'ny emperora Dekio ny Kristiana ka niala an'i Kartago i Kipriano. Maro ny Kristiana no nanda ny finoany tamin'izany fanenjehana izany.
Andalana faha-9:
 
Heverin'ny mpahay tantaram-piangonana ho isan'ireo Rain'ny fiangonana ngezalahy i Kipriano, indrindra tamin'ireo [[tsangan-kevitra]] nataony momba ny fandaminana ny ambaratongam-pahefana ao amin'ny fiangonana, izay nambarany tao amin'ny boky nosoratany tamin'ny taona 251 hoe ''De catholicae ecclesiae unitate'' ("Ny amin'ny firaisan'ny Fiangonana katolilka"). Maro koa ny boky hafa nosoratany ka isan'ireny ny ''De habitu virginum'' ("Ny amin'ny fitafian'ny virjina"), ny ''De dominica oratione'' ("Ny amin'ny Vavaky ny Tompo"), ny ''De bono patientiae'' ("Ny amin'ny hatsaran'ny faharetana") sy ny maro hafa koa.
 
== Jereo koa ==
 
* [[Rain'ny Fiangonana]]