Mpampiana-dalàna: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
k nanova ny anaran'i Mpanoradalàna ho Mpampiana-dalàna i Thelezifor
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Andalana faha-1:
Ny '''mpampiana-dalàna''' na '''mpanoradalana''' dia vondron'olonkendry niasa nandritra ny vanimpotoan'ny [[Tempoly Faharoa]]. Ny vanimpotoana niasany dia mety nandritra ny an'ny Fivoriam-be izay niantomboka tamin'ny andron'i [[Ezra]] na Esdrasa, izay sady lohan'ny mpanoradalana no filoha voalohan'ny Fivoriam-be, ka nifarana tamin'ny andron'i Simona Marina. Ny anjara asan'izy ireo dia ny mamaky eo anatrehan'ny vahoaka ny [[Tanakh]] sady manazava izany. Atao hoe סופרים / ''Soferim,'' izay midika hoe "mpanoratra", izy ireo amin'ny [[Fiteny hebreo|teny hebreo]].
 
Ny mpampiana-dalàna tamin'ny voalohany dia ireo mpanao dika mitovy ny bokin'ny Lalàna ([[Torah]]) na mpitantsoratra, nefa niova miandalana ho mpitantsoratry ny tanàna na mpitantsora-panjakana izany taty aoriana. Olona mivelona amin'ny fanoratana ny mpanoradalàna izay matetika manao fivoasana ara-bakiteny ny Lalàna sady nampifantoka ny asany tamin'ny fandinihana ny [[Soratra Masina]]. Misy ny mpanoradalàna [[fariseo]] sy ny mpanoradalàna [[sadoseo]] ka tsy mitovy no matetika mifanohitra ny fomba fanaovany fivoasana ny Lalàna sy ny fitsipika ao amin'ny fivavahana sy fiarahamonina jiosy. Taorian'ny faharavan'ny [[Tempoly Faharoan'i Jerosalema]] dia ny mpampiana-dalàna no lasa nitahiry ny [[fivavahana jiosy]].