Fiombonan' ny Fiangonana Kristiana eto Madagasikara: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Zithal (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Marika: Hanova araka ny hitan'ny maso Fanovana avy amin'ny finday Fiovana tamin'ny alalan'ny tranonkala finday
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Nanitatra
Andalana faha-1:
Ny [[Fiombonan'ny Fiangonana Kristiana eto Madagasikara|'''Fiombonan'ny''' '''Fiangonana''' '''Kristiana''' '''eto''' '''Madagasikara''']] (FFKM) dia fikambanana [[Ekiomenisma|ekiomenika]] iraisan'ny fiangonana kristiana vitsivitsy eto Madagasikara, dia ny [[Eglizy Katolika Apostolika Romana (Madagasikara)|Eglizy Katolika Apostolika Romana]] (EKAR) sy ny [[Fiangonana Loterana Malagasy]] (FLM) sy ny [[Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara]] (FJKM) ary ny [[Eklesia Episkopaly Malagasy]] (EEM)''.'' Niorina tamin'ny taona 1980 io fiombonana io. Ao [[Antananarivo]] ny foiben-toerany ary miisa 10.000.000 any ho any ny fitambaran'ny mpivavaka ao amin'ireo fiangonana ireo<ref><small>Group, Taylor & Francis (2004). ''The Europa World Year: Kazakhstan - Zimbabwe''. Taylor & Francis. <nowiki>ISBN 9781857432558</nowiki>.</small></ref>. Ny fiangonana kristiana mino ny Tompo [[Jesosy]] ho Andriamanitra sy hany mpamonjy araka ny [[Soratra Masina]] (ny [[Baiboly]]) dia afaka mirotsaka amin'io fiombonana io<ref><small>Council of Christian Churches in Madagascar. ''archived.oikoumene.org''. Notsidihina tamin'ny 2017-06-07.</small></ref> <ref><small>CCCM — World Council of Churches. www.oikoumene.org. Notsidihina tamin'ny 07-06- 2017.</small></ref>. Azo itarafana ny ezaka momba ny ekiomenisma sy ny olana momba izany ny fiainan'ny FFKM.
 
Amin'ny teny anglisy dia ''Council of Christian Churches in Madagascar'' fa amin'ny teny frantsay kosa dia ''Conseil chrétien des Eglises à Madagascar'' no iantsoana azy.
 
== Ireo zavatra efa atao ==
 
=== Fiaraha-mivavaka ===
Miara-mivavaka amin'ny fotoana sasantsasany ny fiangonana ao amin'ny FFKM. Endrika isehoan'ny fiombonana koa ny tsy famerenana manao [[batisa]] na batemy ny mpino mifindra finoana avy amin'ny fiangonana iray mankamin'ny fiangonana iray hafa samy ao amin'ny FFKM. Iraisana ny fiekem-pinoana ekiomenika ([[Fanekem-pinoana apostolika]], [[Fanekem-pinoana nikeana]], [[Fanekem-pinoana atanaziana|Fanakem-pinoan'i Atanazy]]. ), ny [[vavaka nampianarin'ny Tompo]], ny hira sasany izay efa nahavitany boky (''Miara-mizotra'').
 
=== Fanana Baiboly iombonana ===
Efa nisy koa fandikan-teny ny Baiboly niraisan'ireo fiangonana mpikambana ireo, dia ny [[Baiboly Dikanteny Iombonana Eto Madagasikara|Baiboly Dikan-teny Iombonana Eto Madagasikara]] (DIEM) izay ezahana vakina amlin'ny fanompoam-pivavahana iraisam-pinoana.
 
=== Fiaraha-mamaha olona ara-tsosialy sy ara-politika ===
Tsy mijanona amin'ny lafiny ara-pivavahana ihany ny ekiomenisma malahasy fa miitatra amin'ny fiaraha-mikaon-doha amin'ny famahana ny olana sosialy sy ny disadisa politika misy eto Madagasikara.
 
=== Fananana ivontoerana momba ny ekiomenisma ===
Manana toeram-piofanana momba ny [[ekiomenisma]] ny FFKM, dia ny Ivontoeram-Pampianarana Ambony momba ny Ekiomenisma (IPAE). Tamin'ny 01 Jolay 2019 no nivoaka ny andia-mpianatra voalohany nahazo ny maripahaizana licence miisa 23 izay nisalotra ny anarana hoe "Miombona", ka tao amin'ny Sekoly seminera katolika ao Faliarivo Ambanidia ao Antananarivo no namoahana azy ireo.
 
== Ny zavatra mbola tsy mamparisika ==
Ny olan'ny ekiomenisma eran-tany dia miseho ihany koa eto Madagasikara eo anivon'ny FFKM noho ny fiangonana miombona ao samy vokatry ny fielezan'ny fiangonana samihafa avy any ivelany sy samy nitondra ny fampianarany.
 
=== Tsy afaka mampiravina ny fahasamihafana teolojika ===
Tsy mbola voakasiky ny ekiomenisma amin'ny fomba lalina koa ny lafiny ara-teolojia, indrindra ny mahakasina ny [[tenim-pinoana]] sy ny [[foto-pampianarana]], sns izay ahitana fahasamihafam-pinoana sarotra aravina. Ny FLM sy ny FJKM, izay samy protestanta, no afaka mampifanakaiky ny teolojiany noho ny fampianaram-pinoany tsy mifanalavitra firy vokatry ny maha samy fiangonana nateraky ny [[reformasiona]].
 
=== Tsy miara-mandray eokaristia ===
Tsy mboka miara-mandray [[eokaristia]] na [[fanasan'ny Tompo]], izay marika hita maso ankoatry ny batisa na [[batemy]] sady [[sakramenta]] roa tokony hiraisan'ny fiangonana mpiombona, ny Kristiana ao amin'ny FFKM. Tsy mbola mifampiditra alitara ny mpitondra fiangonana na dia efa afaka mifampiditra trano fiangonana sy mifampindrana polipitra aza.
 
=== Tsy marisika hamaky ny Baiboly DIEM ===
Na dia efa misy aza ilay [[Baiboly DIEM]] dia maro ny mpitondra fivavahana mampiasa ny Baibolin'ny fiangonany amin'ny fotoana anaovana fivavahana iraisam-pinoana.
 
== Jereo koa: ==