Fanandroana malagasy: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Nanisy sary
Andalana faha-1:
[[Sary:New Moon at sunset.jpg|vignette|382x382px]]
Ny '''[[Fanandroana malagasy|fanandroana malagasy]]''' dia endriky ny [[fanandroana]] ataon'ny mpanandro malagasy izay andinihany sy ampiharany ny fifandraisan'ny fotoana ahaterahan'ny olona iray na ny fotoana ahatanterahan'ny zavatra iray ampifandraisina amin'ny toerana sy ny toetran'ireo zavatra eny amin'ny lanitra, indrindra ny [[Volana]], araka ny [[Tetiandro malagasy|tetiandro nentin-drazana malagasy]] sy ny fifandraisan'izany amin'ny ho toetr'ilay olona teraka na ilay zavatra miseho na tiana hotanteraka. Izany fifandraisana izany no atao hoe vintana. Ambaran'ny mpanandro malagasy fa mamaritra ny toetra sy ny hoavin'ny olona ateraka na ny zavatra tanterahina tandrify azy ny vintana nefa azo ovana izany amin'ny alalan'ny [[fanalana vintana]] raha ratsy ka atahorana hitera-doza io vintan-dratsy io. Tsy ny vintana mifandray amin'ny [[Volana]] sy ny kintana ihany anefa no voakasiky ny fanandroana malagasy fa ny vanim-potoana rehetra hatramin'ny [[andro]] ao amin'ny [[herinandro]] sy ny fizaràn'ny andro, ka hatramin'ny [[fizaran-taona]] sy ny [[taona]] koa. Manampy izany ny [[Lafin-tany|lafintany]] (atsimo, avaratra, atsinanana sns) sy ny zavatra hafa toy ny tany, ny [[rivotra]], ny [[afo]] ary ny [[rano]] sns. Noho izany dia tsy ny fotoana ihany no sahanin'ny fanandroana malagasy fa ny erana koa.
 
Fanao andavanandro teto Madagasikara ny fankanesana any amin'ny mpanandro teo amin'ireo [[andriana]] amin'ny taonjato faha-18 sy faha-19. Tao Imerina teo antenantenan'ny taonjato faha-19 dia nahay nanandro ny iray ampahatelon'ny olona<ref name=":1"><small>Jobily Rakotoson, "L'art divinatoire, parole d'un sage" in ''Madagascar fenêtres'', 2002, p.93.</small></ref>.
Ligne 25 ⟶ 26 :
 
==== Ny toetra ankapoben'ny tonon'andro ====
Misy "tsara" sy "ratsy" ny vintana na ny tono'nandro. Arakaraka ny zavatra kasaina hatao no mety hahatsara na haharatsy ny tonon'andro iray, na dia mety ho tsara na ratsy amin'ny ankapobeny aza. Ohatra, ny vintana Alakaosy dia vintana malaza ho ratsy, nefa andro tsara anandratana ody ny tsinam-bolan'ny volana Alakaosy (vava Alakaosy) izay atao hoe Alakaosibe. Na dia vintana ratsy amin'ny anjkappobenyankappobeny aza ny Alahasaty dia heverina fa tobniobtonion'andro tsara ny vody Alahasaty satria ny zaza teraka amin'io dia ho tratra antitra ary tonon'andro tsara ho fisantaran-javatra sy fampakaram-bady koa ny amin'io.
 
Misy koa ny tonon'andro na vintana mahery na maivana. Ny [[renivintana]] rehetra dia inoana fa vintana mahery. Misy koa anefa [[zanabintana]] inoana fa mahery. Malaza ho vintana mahery indrindra ny Alahamady (renivintana) sy ny Alakaosy (nefa zanabintana). Vintana mahery ihany koa ny Adizaoza (zanabintana) sy ny Asorotany (renivintana) sy ny Adimizana (renivintana) ary ny Adijady (renivintana). Ny Alohotsy dia inoana ho vintana maivana.
 
=== Alahamady ===
Ny [[Alahamady]] no volana sy vintana voalohany amin'ny fanandroana. [[Renivintana]] ny Alahamady. Avy amin'ny anaran'antokon-kintana amin'ny teny arabo hoe االحمل / ''Al-Hamal'' ("ondrilahy") ny teny hoe ''Alahamady''. Ny zoro avaratra-atsinana amin'ny trano no toerana omena azy. Io zoro io dia atao hoe zorofirarazana koa. Ny faritra na tanàna ao avaratra-atsinanan'ny tanàna iray dia atao hoe "Alahamadin-tany" ho an'io tanàna faharoa io.
 
Lazaina fa mibaby ny Alohotsy sy mitrotro ny Adaoro ny Alahamady sady mifandratra amin'ny Adimizana nefa mitanila eo amin'ny Asombola sy Alakarabo izay iandrianany sy iarenany ny vintana Alahamady. Amin'ny fitetezana andro dia mitondra tonon'andro telo ny Alahamady, dia ny vava Alahamady (na vavan'Alahamady) sy ny vonto Alahamady (na vonton'Alahamady) ary ny vody Alahamady (na vodin'Alahamady).
 
Manomboka amin'ny vava Alahamady ka miafara amin'ny vody Alohotsy ny volana Alahamady raha misy 28 andro. Marihina fa raha tsy tsinanam-bolana ny andro aorian'ny vody Alohotsy dia miafara amin'ny vava Alahamady ny volana Alahamady izay misy 29 andro; raha mbola tsy tsinana aorian'io vava Alahamady io dia mifarana amin'ny vonto Alahamady ny volana izay misy 30 andro.
Ligne 40 ⟶ 41 :
 
==== Vava Alahamady ====
Ny vava Alahamady ao amin'ny volana Alahamady dia atao hoe [[Alahamadibe]]. [[Ralambo]] sy [[Andriamasinavalona]] ary [[Andrianampoinimerina]] ihany anefa no mpanjaka laazaina fa teraka tamin' ny vava-Alahamady. Io andro io no natokana hanaovana ny [[Fandroan'Andriana]]. Andro mahery ny vava Alahamady ka ny zaza teraka amin'io dia alam-bintana fandrao misavika ny andriana, ka raha ankohonan'ny Andriana dia tsy avela hiara-mitoetra aminy.
 
==== Vonto Alahamady ====