Fameno mpamari-toe-javatra: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Nanitatra
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Nanitatra
Andalana faha-3:
Ao amin'ny fehezanteny hoe ''Milalao baolina ao an-tokontany ny ankizy'' dia fameno mpamari-teo-javatra ny andian-teny hoe ''ao an-tokontany''.
 
== Fameno mpamari-toe-javatra sy fameno zoina ==
Raha tsy misy masontsivana hafa ankoatry ny hevi-teny no anaovana ny fanavahana dia mety hifangaro na hosarihana araka izay itiavana azy ihany ny fameno mpamari-toe-javatra sy ny [[fameno zoina]] (na [[fameno iharana]]). Ohatra, amin'ny fiteny frantsay dia manondro toerana ny teny hoe ''Paris'', nefa ataon'ny fitsipiteny mahazatra hoe "fameno toe-javatra" izy ao amin'ny fehezanteny hoe ''J'habite à Paris'' ("Monina ao Paris aho") fa "fameno zoina" kosa izy ao amin'ny hoe ''J'habite Paris'' ("Monina ao Paris aho"). Raha ampiana masontsivana hafa (fiofohana, ohatra) ny fanadihadiana dia ho tsapa fa fameno zoina ny hoe ''Paris'' ao amin'ireo fehezan-teny roa ireon satria tsy fiteny ny hoe ''J'habite'' ("Monina aho") fitsiny: tsy azo esorina ilay teny manodro ny toerana onenana.