Toe-javatra (fitsipiteny): Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Anjara asan'ny teny
 
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Andalana faha-1:
Ny '''toe-javatra''' na '''mpamari-toe-javatra''', amin'ny [[fitsipiteny]] na ny [[haiteny]] dia ny teny na andian-teny izay misahana anjara asa ara-keviteny ([[Tsinjara asa (fitsipiteny)|tsinjara asa]]) tsy tena ilain'ny [[matoanteny]] hameno ny heviny, tsy tahaka ny [[Fameno zoina|zoina]] ([[Atao (fitsipiteny)|atao]] na [[Iharana (fitsipiteny)|iharana]]). Amin'ny fiteny maro dia misahana ny anjara asa [[Fameno (fitsipiteny)|fameno]] izy ka lazaina hoe [[fameno mpamari-toe-javatra]], nefa amin'ny teny sasany dia afaka misahana anjara asa [[Lazaina (fitsipiteny)|lazaina]] izy.
 
Amin'ny fiteny malagasy dia misahana ny tsinjara asa toe-javatra ny teny hoe ''eo an-tokontany'' ao amin'ny fehezanteny hoe ''Milalao baolina eo an-tokontany ny ankizy'' sy ''Ilalaovan'ny ankizy baolina ny eo an-tokontany'': ao amin'ny fehezanteny voalohany dia fameno toe-javatra io andian-teny io, fa ao amin'ny fehezanteny faharoa dia lazaina toe-jevatra, ka mitaky fiovan'endriky ny matoanteny izany (matoanteny mpanao na manano: ''milalao''; matoenteny mpamari-toe-javatra na ananovana: ''ilalaovana'').