Taona: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Nanitatra
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Nanitatra
Andalana faha-21:
 
==== Taona ao amin'ny tetiandro malagasy manara-bolana ====
Ao amin'ny [[tetiandro malagasy]] manara-bolana dia misy 354 na 355 andro ny taona malagasy manara-bonana, ka latsaka 11 na 12 andro izany raha mitaha amin'ny taona ao amin'ny tetiandro gregoriana. Izany hoe ny iray taona gregoriana dia misy 12 volana malagasy miampy 10 na 11 na 12 andro..
 
=== Taon-tetiandro manara-bolana sy masoandro ===
Misy 12 volana ny iray taona nefa indraindray dia mitombo 13. Mba hanakekezana kokoa ny tsingerim-pihodinan'ny Tany amin'ny Masoandro, izay tsapa amin'ny alalan'ny zava-mitranga (eo amin'ny [[zavamananaina]] na ny [[toetrandro]]) miankina amin'ny tsingerin'ny [[fizaran-taona]] sy ny toeran'ny [[kintana]] sy ny [[antokon-kintana]] eny amin'ny lanitra, dia anatsofohana iray volana fanampiny (volana faha-13) isaky ny telo taona eo ny tetiandro manara-bolana sy masoandro. Noho izany misy ireo tetiandro ampiasana ny fifandraisan'ny telo taona amin'ny 37 volana na ny 19 taona amin'ny 235 volana (ity no atao hoe "[[Tsingerin'i Metona]]").
 
==== Taona ao amin'ny tetiandro malagasy manara-bolana sy masoadro ====
Misy ny tetiandro malagasy tsy tena manara-bolana fa manara-bolana sy masoandro izay mampifanandrify ny volana [[Alahamady]] amin'ny fari-potoana ao amin'ny volana Marsa sy Avrily. Misy 354 na 355 ny iray taona nefa mety ho lasa 383 na 384 na 385 izany vokatry ny fampifanandrifiana ny fiantombohan'ny Alahamady amin'ny tsinam-bolana akaiky ny 21 Marsa.
 
== Jereo koa: ==