Bokin'i Henoka : Fahasamihafan'ny versiona roa

k
tsy misy ambangovangom-panovana
k (Rohy)
Marika: Hanova araka ny hitan'ny maso Fanovana avy amin'ny finday Fiovana tamin'ny alalan'ny tranonkala finday Modification sur mobile avancée
k
Marika: Hanova araka ny hitan'ny maso Fanovana avy amin'ny finday Fiovana tamin'ny alalan'ny tranonkala finday Modification sur mobile avancée
 
=== Ny ''Bokin’ireo Mpiambina'' ===
Nosoratana tamin’ny vaninandro talohan’ny taona 200 tal. J.K. ny ''Bokin’ireo Mpiambina'' ((9)) (1Hen. 6 – 36). Io fizaràna io dia manoritsoritramitantara ny fahasahiranana sy ny fitaintainan’ny [[anjely]] mpikomy marobe izay naongana avy any an-danitra; avy eo ny boky mitantara ny dia lavitra nataon’i Henoka izay nipaka hatrany amin’ny toerana famaizana sy famalian-tsoa farany ka [[arikanjely]] no nitondra azy tamin’izay sy nanambara tsiambaratelo maro taminy.
 
=== Ny ''Bokin’ny Fanoharana'' ===
Misy fanoharana sy fahitana maro mikasika ny [[andro farany]] sy ny [[fitsarana farany]] ny ''Bokin’ny Fanoharana'' (1Hen. 37 – 71) izay nosoratana tokony ho tamin’ny taona 30 tal. J.K., izay manambara mialoha ny hiavian’ny [[Mesia]] hamoaka ny didim-pitsarana nyan'ireo anjely sy ny olona rehetra. Voasoritsoritra ao ny [[Fanjakan'Andriamanitra|Fanjakan’Andriamanitra]] hoavy. Ao no ahitana ilay atao hoe ''Bokin’nyBokin'ny Apokalipsan’i Noa''.
 
=== Ny ''Bokin’ny Fanazavana eny an-Danitra'' ===
Misy fanambaràna tsiambaratelo momba ireo zavatra eny amin’ny lanitra (kintana, sns) ny ''Bokin’ny Fanazavana eny an-Danitra'' (1Hen. 72 – 82) izay nosoratana tamin’ny fotoana mitovitovy amin’ny nanoratana ny ''Bokin’ny Mpiambina''. Resaka momba ny [[astronomia]] sy ny [[meteorolojia]] no hita ao. Izany no anaovana azy hoe ''Bokin’ny Astronomia''.
 
=== Ny ''Bokin’ny Nofy'' ===
Fanangonana [[nofy]] maneho fahitana ny ''Bokin’ny Nofy'' (1Hen. 83 – 90) izay voasoratra tamin’ny taona 160 eo ho eo. Mitantara ireo fahitan’i Henoka momba ny [[safodrano izay]] hanasaziana izao tontolo izao noho ny haratsiam-panahiny, ary ny hiavian’ny fiandrianana mesianika aorian’izany ity fizaràna ity.
 
=== Ny ''Epistilin’i Henoka'' ===
Ahitana famporisihana sy fanambaràn-javatra mialoha ny ''Epistilin’i Henoka'' (1Hen. 91 – 107) izay nosoratana tamin’ny taonjato voalohany tal. J.K. Azo zaraina roa indray io:
 
Mampionona ny olo-marina sy mampirisika azy ireo haharitra ary manameloka ny olon-dratsy amin’ny filazana ny hanjo azy ireo any am-parany ny 1Hen. 91 – 105. Ao amin’ity ampahany voalohany ity dia zarain’i Henoka ho “herinandro” folo tsy mitovy halava ny tantaran’ny olombelona. Kisarin’ny fetr’andro folo samy manana ny maha izy azy noho ny fisian’ny olona na zava-mitranga manokana ireo "herinandro" ireo. Ny herinandro faha-4, ohatra, dia herinandron’i Mosesy am-panoharana, ny faha-7 dia herinandron’ny fiharatsian’izao rehetra izao. Ao amin’ny herinandro faha-10, izay tampony amin’izy rehetra, no iresahan’ny mpanoratra ny amin’ny [[paradisa]] taloha izay hosoloana paradisa vaovao maharitra mandrakizay.
 
Miresaka indray ny amin’ny [[safodrano]] sy ny fisehoan’ny ratsy fanindroany izay hanaraka ary ny famaizana sy ny valisoa hozaraina rehefa tonga ny fanjakam-piandrianan’ny Mesia ny ampahany faharoa (1Hen. 106 – 107).
 
== Lanjan’ny boky ==
2 527

modifications