Bokin' ny Jobily: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Zithal (dinika | fandraisan'anjara)
k Rohy
Marika: Hanova araka ny hitan'ny maso Fanovana avy amin'ny finday Fiovana tamin'ny alalan'ny tranonkala finday Modification sur mobile avancée
Zithal (dinika | fandraisan'anjara)
k Rohy sy tsipelina
Marika: Hanova araka ny hitan'ny maso Fanovana avy amin'ny finday Fiovana tamin'ny alalan'ny tranonkala finday Modification sur mobile avancée
Andalana faha-11:
 
=== Ny fizaram-potoana atao hoe ''Jobily''===
Ny Bokin’ny Jobily dia miresaka sy mitantara ny ankamaroan’ny zavatra sy ny olona voalaza ao amin’ny [[Bokin'ny Genesisy|Genesisy]], nefa matetika dia misy tsipiriany fanampiny. Ahitana ny tantaran’ny famoronana sy ny tantaran’ian’i Isiraely izay tantarainy manaraka fotoana voazara ka misy 49 taona isanisany avy ny fizaràna tsirairay atao hoe ''jobily''. Ny fotoana nanomboka tamin’nyamin’ny [[Famoronana hatramin’ny(finoana sy fedrà)|Famoronana]] hatramin’i [[Mosesy]] izay nandray ny soratra tao amin’ny tendrombohitra [[Sinay (tendrombohitra Baiboly)|Sinay]] dia misy jobily 50, analana ny 40 taona handehanana ao amin’ny tany efitra alohan’ny hidirana ao [[Kanaana|Kanana]] (na 2410 taona).
 
=== Ny amin’ny anjely sy ny devoly ===
Misy sokajin’[[anjely]] efatra voalaza ao amin’ny Bokin’ny Jobily: ny anjelin’ny fanatrehana, ny anjelin’ny fanamasinana, ny [[anjely mpiambina]] ny olona tsirairay ary ny anjely mibaiko ny zava-miseho eo amin’ny zavaboary. I [[Henoka]] (na Enoka) no olona voalohany nampianarin’ny anjely manoratra, sady nanoratra ny tsiambaratelon’ny [[Hainkintana|haikintana]] (astronomia) sy ny fizotran’ny fotoana ary ny vanim-potoana eto amin’izao tontolo izao. Raha ny amin’ny [[demonolojia]] kosa, ny fijerin’ny mpanoratra dia misy itovizanyitoviany betsaka amin’ireo [[Boky deoterokanonika|soratra deoterokanonika]] amin’ny andron’ny [[Testamenta Vaovao]] sy ny [[Testamenta Taloha]].
 
Ny Bokin’ny Jobily dia mitantara ny fiavian’ny anjely tamin’ny andro voalohan’ny [[Famoronana]] sy mitantara ny fomba nahatonga ny anjely sasany ho [[Anjely potraka|potraka]] izayraha niray tamin’ny vavin’ny zava-mety maty, ka niteraka karazan’olonkarazan’ olon-goavambe atao hoe [[Nefilima]], avy eo nitaranaka ny atao hoe ''Elioud''. Ny dikan-teny etiopianan’nyetiopianan’ ny boky dia manambara fa ireo anjely ireo dia taranaka tsy mpanoa nivoaka amin’i [[Seta]] (''Deqiqa Set''), fa ny vavin’ny zava-mety maty dia taranak’i [[Kaina]]. Ny zanaka vokatr’izany firaisana izany dia ny Nefilima izay niaina tamin’ny andron’i [[Noa]] (na Nôe) ka naripaky ny [[safodrano]] lehibe. Ny Bokin’ny Jobily dia milaza ihany koa fa [[Andriamanitra (tokana)|Andriamanitra]] dia namela ny 10 isan-jaton’ny fanahin’ny Nefilima tsy manam-batana mba hampivily lalana ny olombelona taorian’ny safodrano.
 
=== Ny vadin’i Kaina sy i Seta ===
Ny Bokin’ny Jobily dia mampahatsiahy ny fanambadiana olo­m-pady nataon’ireo zanak’i [[Adama]] sy i [[Eva]], dia i Kaina sy ny vadiny ary i Seta sy ny vadiny. Ao amin’ny Jobily 4.1-12 dia voalaza fa naka ny anabaviny atao hoe Avena na Avàna (''Awan'') ho vadiny i Kaina ary i Henoka no zanak’izy ireo. I Seta kosa dia nanambady ny anabaviny atao hoe Atsora na Azora (''Azura'').
 
=== Ny fiteny hebreo ===
Andalana faha-25:
 
=== Ny Fanjakan’ny Mesia ===
Ny Bokin’ny Jobily dia ahitana andalana miparitaka momba ny Fanjakan’ny [[Mesia]] izay tsy nivoaka avy amin’i [[Levy (zanak'i Jakoba)|Levy]] (fianakavian’ny [[Makabeo]]) fa avy amin’i [[Joda (zanak'i Jakoba)|Jodà]]. Izany Fanjakana izany dia ho tanteraka tsikelikely eto an-tany ka ny fiovana miandalan’ny fomban’ny zavaboary ara-batana dia hiaraka amin’ny fiovana miandalan’ny fitondrantenan’ny olombelona mandra-pisian’ny lanitra vaovao sy tany vaovao. Noho izany amin’ny farany, ny [[fahotana]] rehetra sy ny fangirifiriana dia hisava ary ny olona hiaina hatramin’ny faha-1000 taonany ao anaty fahasambarana sy fiadanana, ary aorian’ny fahafatesana, dia higoka ny [[tsy feteza-maty]] voatahy amin’ny tontolon’ny fanahy.
 
=== Ny taona ===
Ny Bokin’ny Jobily dikadia manamafy (toko faha-6) ny amin’ny taona misy andro 364 izay ahitana [[telovolana]] efatra misy herinandro 13 isaisanyisanisany avy, fa tsy taona ahitana 12 volana manaraka ny volana[[Volana]], izay latsaka 10 andro isan-taona. Manamafy koa ny boky ny amin’ny "Sabata roa sosona" isan-taona izay isaina ho iray andro mba hahatongavana amin’io kajy io.
 
=== Ny lalànan’i Noa ===
Ny Jobily 7.20-28 dia angamba filazana ny [[Lalàn’i Noa]] izay mihatra amin’ny olona rehetra:
 
“''Ary tamin’ny jobily faha-28 i Noa dia nandidy ireo zanany lahy hanoa ny didy sy ny lalàna ary ny fitsarana rehetra izay fantany sady namporisika ireo zanany lahy mba hanao ny marina, hanarona ny fahamenaran’ny vatany, hanamasina ny Mpamorona azy, hanaja ray sy reny, ho tia ny mpifanolo-bodirindrina aminy, hitandrin-tena amin’ny [[fijangajangana]] sy amin’ny tsy fahadiovana ary amin’ny herisetra rehetra. Fa noho ireo zavatra telo ireo no niavian’ny safodrano teto ambonin’ny tany … Fa izay mandatsaka ran’olona sy nihinana ny ra avy amin’ny nofo, dia tsy maintsy haringana tsy ho eto ambonin’ny tany''”.
 
== Jereo koa: ==