Katekisma: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Zithal (dinika | fandraisan'anjara)
Tsipelina
Marika: Hanova araka ny hitan'ny maso Fanovana avy amin'ny finday Fiovana tamin'ny alalan'ny tranonkala finday Modification sur mobile avancée
Zithal (dinika | fandraisan'anjara)
Rohy
Marika: Hanova araka ny hitan'ny maso Fanovana avy amin'ny finday Fiovana tamin'ny alalan'ny tranonkala finday Modification sur mobile avancée
Andalana faha-12:
 
== Ny katekisman' ny fiangonana protestanta ==
Ny [[Fanavaozam-piangonana]] (na Reformasiona) dia niteraka famoronana katekisma maro. Isan' izany ny ''Ketekisma Kely'' (na Fotopianarana kely) sy ny ''Katekisma Lehibe'' (na Fotopianarana lehibe) nosoratan' i [[Martin Lotera]] tamin'ny taona 1529 (ho an'ny [[Loteranisma|Loterana]]) sy ny ''Katekisman' i Heidelberg'' an' ny [[Fiangonana nohavaozina]] ary taty aoriana ny katekisman' i [[Jean Calvin|Calvin]] tamin' ny taona 1538.
 
=== Ny katekisman' ny Fiangonana loterana ===
Tamin' ny fiantombohan' ny Reformasiona dia nanjary nihananan-danja ny katekisma noho ny fanizingizinan' i Lotera ny amin' ny tokony hanaovana fampianarana ara-pinoana atokana ho an' ny zaza madinika. Taorian' ny famoahana ny ''Fanazavana fohy ny didy folo sy ny Foto-pinoana ary ny Rainay'' nosoratan' i Lotera tamin' ny taona 1520'','' dia maro ny katekisma nomanin' ny [[Protestantisma|Protestanta]]. Ny famangian' i Lotera ireo fiangonana tany Saksonia anefa tamin' ny taona 1528 niteraka ny fanomanana ny ''Katekisma Lehibe'' sy ny ''Katekisma Kely'' tamin' ny taona 1529. Ity farany ity dia nosoratan' i Lotera manokana ho an' ny raim-pianakaviana sy ny pastora mba hanampiana azy ireo amin' ny fampianarana ny zaza.
 
=== Ny kekisman' ny Fiangonana nohavaozina ===
Ny nalaza indrindra tamin' ny katekisman' ny [[Fiangonana nohavaozina]] dia ny ''Katekisman' i Jeneva'' sy ny ''Katekisman' i'' ''Heidelberg,'' ary koa ny an' i Johannes Häusgen (izay atao hoe koa Johannes Oecolampad) izay teolojiana alemàna tao ''Basel'' (frantsay: ''Bâle'') tamin' ny taona 1526, ary ny an' i Heinrich Bullinger tao Zurich any [[Soisa]] tamin' ny taona 1555.
 
Ny ''Katekisma Kely'' sy ny ''Katekisma Lehibe'' tao Jeneva dia nosoratan' i Jean Calvin. Ny ''Katekisma Kely'' dia navoaka amin' ny [[Fiteny frantsay|teny frantsay]] tamin' ny taona 1537, ahitana fanontaniana arahim-baliny. Ny ''Katekisma Kely'' kosa dia navoaka amin' ny teny frantsay tamin' ny taona 1541 na 1542.
 
Ny ''Katekisman' i'' ''Heidelberg'' dia nosoratan' ny teolojiana alemàna Caspar Olevian sy Zacharias Ursinus tao [[Heidelberg]] araka ny fiangavian' i Friedrich III (frantsay: ''Frédéric III du Palatinat''). Navoaka tamin' ny taona 1563 izany. Tamin' ny taona 1619 no nanombohan' ny Fiangonana nohavaozina nampiasa azy.
 
=== Ny Fiangonan' i Fausto Sozzini ===