Katekisma: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Zithal (dinika | fandraisan'anjara)
k Tsipelina
Marika: Hanova araka ny hitan'ny maso Fanovana avy amin'ny finday Fiovana tamin'ny alalan'ny tranonkala finday Modification sur mobile avancée
Zithal (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Marika: Hanova araka ny hitan'ny maso Fanovana avy amin'ny finday Fiovana tamin'ny alalan'ny tranonkala finday Modification sur mobile avancée
Andalana faha-1:
[[Sary:La lecon de cathéchisme.jpg|vignette|400x400px|''Fampianarana katekisma'', sary nataon'i Jules-Alexis Muenier tamin'ny taona 1890.]]
Ny '''katekisma''' na '''katesizy''' dia fampianarana ny tahirim-pampianaram-pinoana kristiana ampiasaina ho fitaovana fototra amin' ny fitaizana ny ankizy sy ny tanora ary ny olon-dehibe mba hahalala ny hafatra kristiana sy mba hiaina araka ny maha kristiana azy.
 
Ny boky fianarana katekisma na katesizy voasoratra voalohany indrindra anefa dia ilay nosoratan'i Alkoino tamin' ny taonjato faha-8. Narakarahin' ny fanoratana katekisma maro izany nandritra ny taonjato faha-9 ka isan' izany ny an' i Noktetr Labeo tao Saint-Gall any [[Soisa]], sy ny an' i Otfried tany Weissenbourg any any Alzasy.
 
Nisy zavatra tsapan' i [[Martin Lotera|Lotera]] teo amin' ny Kristiana notarihiny, izay azo ampiharina koa amin' ny Katolika: ny Kristiana tamin' ny taonjato faha-16 dia niaina tamin' ny finoana, namonjy fiangonana, nanana fomba fiaina ara-pitondrantena, nanao tonom-bavaka, nefa tsy nahalala izay nataony, sy tsy nanana teny ho enti-manazava ny finoany izy ireo. Koa ny katekisma na katesizy no nameno izany banga izany.
 
Ny [[Katolisisma|Katolika]] dia nanaraka izany zavatra nataon' i Lotera izany ka namokatra katesizy, dia ny ''Katesizin' i Canisius'' tamin' ny taona 1555 nandritra ny [[Konsily tao Tridentio|Konsily tao Trendentio]], ary ny ''Katesizin' i Bellarmin'' sy ny ''Katesizin' ny Konsilin' i TrendentioTredentio'') taorian' ny Konsily tao TrendetioTredentio, sy katesizy maro hafa koa, ka ny [[pretra]] tamin' izany dia tsy maintsy mampianatra ny ankizy ao amin' ny paroasiny.
 
== Fiforonan-teny ==