Endolzansy: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Nanisy sary
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Nanitatra
Andalana faha-3:
 
Ny manampahefana ao amin'ny Fiangonana no manome ny endolzansy ary izany dia heverina fa endrika isehoan'ny fanelanelanana ny mpino amin'Andriamanitra, izay angatahin'ny Fiangonana iray manontolo amin'ny alalan'ny [[litorjia]] sy ny [[vavaka]] ataony, mba hampisy fampihavanana ny iray amin'ireo mpino ao aminy izay mbola velona na efa maty.
 
Raha fanao matetika ny manome endolzansy tamin'ny andro fahiny dia mbola misy izany amin'izao fotoana izao.
 
== Ny vokatry ny endolzansy ==
Araka ny foto-pampianarana katolika, ny fahotana dia voafafan'ny sakramentan'ny famelan-keloka (ny konfesiona). Io sakramenta io anefa tsy manaisotra ny sazy voafetra vokatry ny fahotana, izay mifandanja amin'ny fotoana tokony ho lanina ao amin'ny afo fandiovana raha tsy diovina ety an-tany amin'ny alalan'ny asa maneho fitiavam-bavaka sy fiantrana (asa fanonerana). Izany sazy voafetra ara-potoana izany dia mety hamaivanina na fafana tanteraka amin'ny alalan'ny endolzansy. Ny endolzansy dia atao hoe ampahany na manontolo, arakaraky ny fanafahany amin'ny ampahany na manontolo ny sazy vofetram-potoana vokatry ny fahotana.
 
Ny endolzansy ampahany dia isaina amin'ny andro na volana na taona. Izany faharetana izany dia tsy noheverina ho mifanandrify amin'ny famelana mivantana (amin'ny isan'ny andro na volana na taona) ny tokony hitoerana ao amin'ny afo fandiovana mifandanja amin'izany. Ny endolzansy dia manondro fotsiny ny famelana sazy tokony hitovy sanda amin'ny faharetana mifandanja amin'ny fivalozana vitaina araka ny lalànan'ireo kanona voalohan'ny Fiangonana. Izany faharetana izany koa dia ahafahana mitarika ny fanehoam-pitiavam-bavaka ataon'ny vahoaka, araka ny haben'ny fankatoavana omen'ny fahefam-piangonana ilay faharetana. Ohatra, ny papa [[Pio IX]] dia nanome endolzansy hanomboka tamin'ny taona 1847 amin'ny vavaka atao amin'ny Notre-Dame de La Salette<ref><small>I Notre-Dame de La Salette dia tsy izay fa i [[Maria (renin'i Jesoa)|Maria]] renin'i Jesoa izany, tamin'ny filazana azy fa niseho tamin'ny ankizy roa tamin'ny 19 Septambra 1846 tao amin'ny tananan'i La Salette-Fallavaux any Frantsa.</small></ref>, mba hanamarihana amin'ny hafanam-pony ny faniriany ny hanekena amin'ny fomba ofisialy ilay fisehoan'i [[Maria (renin'i Jesoa)|Maria]]. Ny [[papa]] nifandimby dia nanome endolzansy maro mba hitarihana ny fitiavam-bavaka ka vokatr'izany dia nisy ny toy ny fitosahana be loatra, sahala amin'ireo vavaka fohy ahazoana endolzansy izay indraindray be sanda. Tamin'ny taona 1967, tamin'ny [[Konsily Vatikàna II]], no nanafoanan'ny papa Poly VI ny fampifandraisana amin'ny isan'ny andro na taona voafaritra: hatramin'izany dia tsy misy afa-tsy endolzansy ampahany na endolzansy manontolo.
 
Ny endolzansy ampahany dia mety homen'ny fahefan'ny eveka, raha fahefan'ny sampam-pitsarana atao hoe Pénitencerie apostolique ny endolzansy manontolo.
 
== Tantaran'ny endolzansy ==