Fiteny jeôrjiana: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Fiteny kaokaziana
 
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Rohy
Andalana faha-1:
Ny '''fiteny jeorjiana''' dia fiteny ofisialin'i [[Jeorjia]] izay firenena ao amin'ny faritra afovoan'i [[Kaokazy]], izay isan'ireo [[fiteny kaokaziana]]. Amin'ny fiteny jeorjiana dia atao hoe ქართული ენა / ''kartuli ena'' io fiteny io. Ny fiteny jeorjiana dia fitenin-drenin'ny olona miisa 3 900 000 any ho any ao Jeorjia (izany hoe 83%n'ny mponina ao amin'io firenena io) sy fitenin'ny Jeorjiana any ivelany miisa 500 000 any ho any (indrindra any [[Torkia]], [[Iràka]], [[Rosia]], [[Etazonia]] ary ny sisa amin'i [[Eoropa]]). Fitenin'ny haisoratry ny foko maro monina amin'ny tany jeorjiana koa ny fiteny jeorjiana, indrindra ireo miteny fiteny tsy isan'ireo fiteny ao Kaokazy afovoany (fiteny kartveliana) toy ny fiteny svana sy ny fiteny mingreliana ary ny fiteny laza. Ny fiteny jeorjiana vaovao dia soratana amin'ny abidy misy litera 33 atao hoe ''mkhedruli.''
 
Ny [[fitsipiteny]] jeorjiana dia ahitana [[Endrika araka anjara asa|fiovan'endri-teny araka anjara asa]] miisa fito, tsy misy fanavahana ny [[Kilahivavy|kandahy]] na ny [[Kilahivavy|kambavy]], ahitana fitanisana [[matoanteny]] saro-drafitra. Ahitana [[renifeo]] saro-tononina sy fifanarakarahana renifeo saro-drafitra mampiavaka ireo fiteny kaokaziana ny fiteny jeorjiana.