Fiombonan' ny Fiangonana Protestanta eto Madagasikara: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Zithal (dinika | fandraisan'anjara)
Sora-matevina
Marika: Hanova araka ny hitan'ny maso Fanovana avy amin'ny finday Fiovana tamin'ny alalan'ny tranonkala finday
Zithal (dinika | fandraisan'anjara)
Tsipelina
Marika: Hanova araka ny hitan'ny maso Fanovana avy amin'ny finday Fiovana tamin'ny alalan'ny tranonkala finday Modification sur mobile avancée
Andalana faha-1:
[[Fiombonan'ny Fiangonana Protestanta eto Madagasikara|'''Fiombonan'ny Fiangonana Protestanta eto Madagasikara''']] (FFPM), araka io anarany io, dia mampiombona ireo Fiangonana protestanta roa dia ny [[Fiangonana Loterana Malagasy]] (FLM) sy ny [[Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara]] (FJKM). Izany fiombonana izany dia tanterahina amin'ny fiaraha-mivavaka amin'ny fotoana sasany sy fananganana sehatra na fotodrafitrasa iraisana toy ny sekoly. Samy mampiasa ny [[Baiboly protestanta amin'ny teny malagasy|Baiboly protestanta]] ireo Fiangonana ireo ary iombonany koa ny fampiasana ny boky fihirana sy ny tiona FFPM. Samy manaraka ny ankabeazan'ny teolojia protestanta izay niteraka sady vokatry ny [[Reformasiona]] izy ireo nefa ny FLM manaraka indrindra ny an'i [[Martin Luther|Martin Lotera]] fa ny FJKM manaraka kokoa ny an'i [[Jean Calvin]]. Ireo fiangonana roa ireo no manana tantara tranainy indrindra amin'ny [[Kristianisma ao Madagasikara|Fiangonana kristiana rehetra eto Madagasikara]].
 
Atao hoe "''Fédération des Eglises Protestantes à Madagascar''" ny FFPM amin'ny teny frantsay ary "''Federation of the Protestante Churchs in Madagascar''" amin'ny teny anglisy<ref name=":0"><small>''Inona moa ny FFPM ?'', p.33.</small></ref>. Efa tany amin'ny taona 1913 no niforonan'io fiombonana io. Tsy ny fiangonana atao hoe "protestanta" (na milaza tena hoe "protestanta") rehetra anefa no miombona ao amin'ny FFPM. Ny [[Eklesia Episkopaly Malagasy]] (na Aglikana) dia tsy isan'ny FFPM. Tsy ireo ao amin'ny FFPM ireo ihany koa anefa no Fiangonana protestanta eto Madagasikara.
 
Manana ny lalàm-panorenany manokana sy ny fitsipi-piaraha-miasany ny FFPM. Manana birao ahitana filoha iray, filoha mpanampy iray, sekretera jeneraly iray, mpandraharaha iray, mpitahiry vola iray, mpanolotaina dimy koa izy<ref><small>''Inona moa ny FFPM ?,'' p. 5.</small></ref>.
 
== Ireo fiangonana mpiombona ==