Volambita: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Zithal (dinika | fandraisan'anjara)
k Tsipelina
Marika: Hanova araka ny hitan'ny maso Fanovana avy amin'ny finday Fiovana tamin'ny alalan'ny tranonkala finday Modification sur mobile avancée
Zithal (dinika | fandraisan'anjara)
k Tsipelina
Marika: Hanova araka ny hitan'ny maso Fanovana avy amin'ny finday Fiovana tamin'ny alalan'ny tranonkala finday Modification sur mobile avancée
Andalana faha-17:
=== Fotoam-pankalazana ny taom-baovao lohataona ===
[[Sary:Vernonia noveboracensis 2.JPG|vignette|Karazana ambiaty]]
Talohan'ny taona 2016 dia efa nisy ny nanao fankalazana ny taombaovao lohataona tao Antananarivo. Nanomboka tamin' ny taona 2016 dia nisy ny fankalazana taom-baovao malagasy iraisam-paritra izay atao amin' ny volana [[Septambra]] ka tapaka fa amin' ny tsinam-bolan' ny Septambra no anatanterahana izany. Nanapaka ireo mpankalaza taom-baovao lohataona, taty aoriana, tamin' ny taona 2018, fa ankalazaina isaky ny 22 Septambra ny taom-baovao malagasy ho an' ny faritra rehetra eto Madagasikara<ref><small>[http://tiatanindrazana.com/pages/modules.php?id=27715 "Taom-baovao iraisan’ny Malagasy rehetra Nankalazaina teny Ambohimanga, omaly" - ''Tia Tanindrazana'']</small></ref>. Io volana Septambra io dia iray amin' ireo volana ao amin' ny fizaran-taona [[lohataona]]. Natao hoe ''Volambita'' rahateo ity vaninandro ity.
 
Araka ireo mpankalaza taom-baovao malagasy lohataona dia atao hoe Volambita ny fiantombohan' ny lohataona any amin' ny faritra maro eto Madagasikara izay nampiasa ny anaram-bolana amin' ny [[Fiteny sanskrity|teny sanskrita]]. Tsy vao tamin' io taona 2018 io tsy akory, hoy izy ireo, no nanombohan' ny Malagasy nankalaza ny taom-baovao lohataona.
 
=== Fanamarinana ara-pitenenana sy ara-boajanahary ===
[[Sary:Cuculus rochii rochii 1888.jpg|vignette|Kankafotra (siantifika: ''Coculus rochii'')]]
Milaza ny mpankalaza taom-baovao lohataona fa ny fiandohan' ny lohataona no tena taom-baovao malagasy satria miandoha na manomboka eo ny [[taona]]. Amin' ny maha fotoana fiandohan' ny taona azy indrindra, hoy izy ireo, no nanomezan' ny [[Ntaolo|Ntaolo malagasy]] azy ny anarana hoe ''lohataona'' (misy koa ny manao hoe ''lohatao'' na ''lohataogno''). Mbola hita taratra ao amin' ny anaran' ilay vorona atao hoe ''taotaonkafa'', ''kankafotra'' na ''taotaokafo'' (anarana ara-tsiansa: ''Cuculus poliocephalus rochii''), izay ataon' ny [[Ntaolo]] malagasy fa manambara ny fahatongavan' ny taona hafa, izany hoe taona vaovao izany, rehefa maneno amin' ny fiandohan' ny [[lohataona]]<ref><small>[http://mondemalgache.org/bins/teny2 "Kankafotra" ao amin'ny ''Dictionnaire malgache et encyclopédie de Madagascar''.]</small></ref>. Hita amin' ny angano izany<ref><small>[http://agir.avec.madagascar.over-blog.com/le-vintsy-et-le-kankafotra "Le vintsy et le kankafotra" ao amin'ny ''Agir avec Madagascar'']</small></ref> ary hita koa amin'ny ohabolana<ref><small>[http://motmalgache.org/bins/ohabolana/kankafotra "Proverbe: Kankafotra" ao amin'ny ''Dictionnaire malgache et encyclopédie'']</small></ref> <ref><small>[https://ohabolana.org/ohabolana/misy/kankafotra "Ohabolana misy teny hoe kankafotra", in ''Ohabolana.org'']</small></ref>sy ny fitenenana maro<ref><small>[https://www.newsmada.com/2018/01/02/taona-taon-kafa-volan-kankafotra/ "Taona, taon-kafa ... volan-kakafotra", ao amin'ny ''Newsmada''.]</small></ref> <ref><small>Arnold Van Gennep, ''Tabou et totémisme à Madagascar'', Paris, 1904, p.263</small></ref> ary ny tononkalo<ref><small>[https://vetso.serasera.org/tononkalo/miarantsoa-anicet/tsy-taom-baovao Miarantsoa Anicet, "Tsy taom-baovao" ao amin'ny ''Tononkalo malagasy''.]</small></ref> na hainteny<ref><small>Leonard Fox (ed.), ''Hainteny: The Traditional Poetry of Madagascar'', Bucknell University Press,U.S., 1990, p. 272.</small></ref> tranainy na vaovao.
[[Sary:Cuculus rochii (cropped).JPG|vignette|Kankafotra na Taotaonkafa (siantifika: ''Coculus rochii'')]]
Amin' io fotoana io, hoy ny mpomba ny taom-baovao lohataona, dia manomboka velom-bolo ny zavaboary manontolo, fa tsy ny olombelona ihany, manomboka mitsiry ny ravin' ireo zavamaniry manintsan-dravina, mihamaro ny vorona misiotsioka, manomboka ny fiasan-tany sns, mivoaka avy any anaty tany ireo biby mpilevina [[ririnina]]. Tsy ny Malagasy ihany no nankalaza ny [[lohataona]] fa firenena maro koa, ka ny volana Marsa, raha ny marina, dia fiandohan' ny lohataona any amin' ny ila-bolantany avaratra, fa ny aty atsimo kosa amin' ny volana Septambra.
 
== Ohabolana momba ny Volambita ==